Vous êtes ici :

Jeudi 18 Avril 2024

ombre

Andilamena – Rangahy maty voatsindrona teo amin’ny tataviany

Misy andian’olona ahiana ho mpisetrasetra sy mamono any Andilamena amin’izao fotoana izao. Lehilahy iray 42 taona no maty voatsindron’ny vy teo amin’ny tataviany ny faran’ny herinandro teo raha avy nijery fety ka hamonjy fodiana. Telo lahy izy ireo no niaraka ary nisy nanafika teny an-dalana. Nisy ihany ny fifandonana saingy sendra ny be noho vitsy ka niafara tamin’ny fahafatesan’ny iray. Nahita izany ny roalahy  niaraka taminy, izay fianakaviany ihany dia vaky nandositra ary nampandre ny zandary any an-toerana. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny mpitandro filaminana saingy efa nadio ny rano nitan’ireo mpamono olona. Tsy nisy na inona inona rahateo mety hahafantarana ny mombamomba ireo olon-dratsy.

Amin’ny toe-javatra toy itony dia mifamahofaho be ihany ny raharaha satria matetika dia ireo niaraka farany tamin’ilay namoy ny ainy no iantefan’ny ahiahin’ny mpanao fanadihadiana. Tsy nisy nanatrika ny zava-misy marina rahateo ankoatra ireo roalahy nitsoaka nanavotra ny ainy ireo. Efa misokatra ny fanadihadiana mba hahitan’ny zandary ny marina mikasika ity vono olona ity. Ny tena nahagaga mantsy dia tsy antsy no nampiasain’ireo mpamono fa vy maranitra fotsiny. Izany hoe mety tsy nitondra fitaovam-piadiana akory ireo mpanafika. Midika izany fa mety tsy jiolahy saika hanendaka izy ireo. Tsy voafaritra mazava rahateo hoe voaendaka na tsia ilay namoy ny ainy.  Maromaro ihany izay nidiran-doza, nody alina,  avy nijery lanonana tamin’ny fiatrehana ny fetim-pirenena izay.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre