Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Lany andro mifanilika !

Iray fo sy saina ary mitovy hevitra avokoa ny malagasy rehetra amin’ny fanamelohana ny asa fampihorohoroana nahafatesana olona miisa 3 sy naratra maherin’ny 80. Tsy nisy vondron-kery na iray aza nilaza fa nankasitraka ny habibiana tsy roa aman-tany namonoana vahoaka sy zaza tsy manan-tsiny toy ireny. Na ireo mpanao politika izay heverin’ny vahoaka fa maty fanahy sy tia tena loatra aza dia mody nidodododo nitondra fankaherezana sy fanampiana avokoa. Na dia ratsy sy tsy azo eken’ny sain’ny olona manam-panahy aza anefa iny tranga mamohehitra iny dia azon’ny malagasy noraisina ho toy ny fahoriana entina hamitranam-pihavanana sy hamondronan-kery. Tsy izay anefa no mitranga eo amin’ireo mpanao politika fa vao maika misintona ny lakolosy sy mandrehitra ny afom-pifankahalana eto amin’ny firenena. Tsy niandry ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ireo mpanao politika fa avy hatrany dia nifanendrikendrika tsy misy porofo. Tsy nisalasala ny filohan’ny Repoblika nilaza mivantana fa vokatry ny tsy fitovian-kevitra no nahatonga iny asa fampihorohoroana iny.  Mazava ho azy fa ireo olona tsy mankasitraka ny fomba fitantanana ny firenena no tiana homelohina amin’izany. Ireo mpanao politika avy amin’ny antoko mpanohitra no heverin’ny mpitondra fa tao ambadik’iny famonoana vahoaka tsy manan-tsiny iny. Misy ihany koa ireo milaza fa ny kolonely Lylison no nahavanon-doza. Efa namoahana didy fampisamborana ity loholona sady manam-boninahitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity nefa raharaha hafa, izay fiantsoana ny vahoaka hanao tanàna maty, no mahavoarohirohy azy fa tsy asa fampihorohoroana velively.

Ankilany ihany koa anefa dia misy amin’ireo antoko mpanohitra no namaly bontana avy hatrany ary sahy manendrikendrika ny fitondram-panjakana ho ao ambadik’iny asa fampihorohoroana iny. Misy mihitsy aza olona sahy manely tsaho tsy misy porofo fa lanin’ny mpitondra ny volan’ny frankofonia ka izay no mody anaovan’izy ireo sinema mba hanafoanana io fivoriana io. Hatreto anefa dia tombatombana sy hevitra noforonin’ny sain’ny mpanao politika avokoa izany rehetra izany fa tsy mbola nisy nanana porofo amin’ny fahamarinany. Ny mpanohitra sasany indray dia manao izay hanararaotana iny asa fampihorohoroana iny hanenjehana ny mpitondra tsotra izao. Tsy mahavita miaro ny vahoaka, ka tokony hiala, hoy ny resaka ataon’izy ireo. Ny hafa kosa dia ny hanongotra ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana mihitsy no hevitra arosony.

Na ireo fanendrikendrehana feno fankahalana avy amin’ny mpitondra fanjakana, na ny avy amin’ny mpanohitra dia tsy hitondra soa sy fampandrosoana ho an’ity firenena ity velively. Tsy vahaolana fifandrafesana sy fifanaratsiana fa mila miombon-kery sy mampiseho firaisankina ny mpanao politika na dia samy manana ny foto-kevitra ijoroany aza. Ny fomba fitantanana ny firenena no tsy mampifanaraka fa ny fitsinjovana ny vahoaka malagasy dia tokony hiombonan-kevitra. Raha tena tia tanindrazana ireo mpanao politika dia mifanaraka sy miray hina ary manao fanadihadiana anatiny mba hijerena izay tena tompon’antoka marina tamin’iny asa fampihorohoroana iny. Ny tena olana amin’ny zava-misy amin’ny mpanao politika, izay samy mifanilaka andraikitra, mantsy dia tsy hisy hanaiky ho diso izay voasambotra eo. Iaraha-mahalala rahateo ny risika hisian’ny fitongilanan’ny fanadihadiana izay tsy maintsy hitodika tanteraka any amin’ny antoko mpanohitra. Ahiana, ho lasa valifaty politika ny zavatra hitranga ka mety ho resaka honohono sy tondro molotra fotsiny dia hiteraka fisamborana sy fanagadrana. Ny filoham-pirenena rahateo efa nilaza mazava fa sazy faran’izay henjana no hihatra amin’izay voalaza fa nanao iny fampihorohoroana iny.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre