Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Talatamaty – Nivadika indray ny sprintera avy any Ivato

Namoa-doza indray ny taxi-be Sprinter avy any Ivato hihazo ny renivohitra omaly tamin’ny 5 ora maraina tany ho any. Nandeha mafy loatra ary nivadika teo Talatamaty, ity fiara fitateram-bahoaka ity araka ny filazan’ireo nanatri-maso. Mba tsy nisy maty tamin’ity indray mitoraka ity fa betsaka kosa ireo naratra. Nampametra-panontaniana ny vahoaka ny antony mbola isian’ny loza tahaka izao satria efa nilaza ho nandray andraikitra ny kaoperativa sy ny minisiteran’ny fitaterana tamin’ny alalan’ny ATT. Efa nanaovana fitsirihana ara-tekinika ireo fiara miasa rehetra ary tokony nomena fampiofanana ihany koa ireo mpamily. Matoa mitranga ny loza toy izao dia mazava fa vokatry ny an-tandrevaka nataon’ny saofera izay tsy nanaja ny famerana ny hafainganam-pandeha.

Maimaika fotsiny ny kaoperativa hametraka ny fepetra rehetra izay mety aminy sy hahazoany tombontsoa fa tsy mba mijery ny kalitaon’ny asa sy ny fanajana ny mpandeha mihitsy. Tsy ny mponin’Ivato irery no tratran’ny tranga toy izao fa ny vahoakan’Antananarivo sy ny manodidina rehetra mihitsy. Mampiaka-peo ny Uctu sy ny Ucts rehefa mandrahona ny hampisondrotra saran-dalana nefa ny asa atolotr’izy ireo tsy mifanaraka amin’ny vola takiany akory. Ny mpitondra Fanjakana rahateo dia mody fanina sy tsy mandray ny andraikiny satria iaraha-mahalala fa olona manan-toerana eo anivon’ny Fanjakana ny maro an’isa amin’ny tompon’ireny taxi-be ireny.

 Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre