Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Hary Landy Volahanta Rakotoarimanana – Chef du centre fiscal du 4ème arrondissement -« Afaka mangataka fanazavana eo noho eo ny vahoaka »

Ho fanohizana ny fanazavana nentin’ny lehiben’ny mpiraki-draharaha eny anivon’ny Fitsarana Anosy, dia nanatona indray ny lehiben’ny ivon-ketra ao amin’ny boriborintany fahefatra (na chef du centre fiscal du 4ème arrondissement) ny Madagascar Matin. Nitondra fanamarihana maromaro momba ny fandehan-draharaha mahakasika ny hetra, Ramatoa Hary Landy Volahanta Rakotoarimanana ka entina amintsika eto izany.

 

Madagascar Matin (M.M) : Nisy ny fitokanana birao iombonana teny amin’ny Tribonaly Anosy ary misy ny fiaraha-miasanareo sy ny eny anivon’izany Fitsarana izany. Manao ahoana ny endrik’izany fiaraha-miasa izany ?

Landy Rakotoarimanana (L.R) : Tsara hazavaina tokoa ilay izy. Noho ny maha eo Anosy ilay birao no mahatonga ny eto amin’ny  boriboritany fahefatra, miandraikitra ny asa mahakasika ny hetra momba ny didim-pitsarana mivoaka. Izay izany ilay fiaraha-miasa ary natao indrindra mba hanamorana ny fikarakarana ny taratasy sy fanakaikezana ny vahoaka ihany koa. Teo aloha manko tsy mihaona amin’ireo olona manan-draharaha mihitsy izahay fa ny « dossier » no omeny ao amin’ny

mpiraki-draharaha na ny « greffier » ary ity farany no manolotra izany anay. Aorian’izay  izahay vao afaka manao ny kajy momba ireo taratasy ireo. Raha efa izany dia averina any amin’izy ireo indray ny antotan-taratasy miaraka amin’ny tombam-bidy tokony haloan’izay manan-draharaha. Matetika,  tsy mazava amin’ny olona ny nahatonga io vola io fa manaiky fotsiny noho ny fahamaikana. Ankehitriny kosa, noho ny fisian’ny birao iombonana, dia ao amin’ny sampan-draharahan’ny hetra avy hatrany ny olona no manatona rehefa vita izay karakarainy ao amin’ny mpirakidraharaha ka afaka manontany mazava tsara ireo manan-draharaha. Mazava tsara ihany koa amin’izay ny hetra aloa sy ny vola miditra amin’ny Fitsarana.

 

M.M: Nisy ve izany ny olona avy ato amin’ny ivon-ketra nalefa manokana eny anivon’ny Fitsarana mba hisahana izay asa izay, sa ahoana ny fandaminana napetrakareo momba ny fandraisana ny olona? 

L.R: Tsara homarihina fa efa misy biraonay eny Anosy, izay ao ambadiky ny radio Madagasikara taloha saingy tsy niaraka fa nifanila teo ihany. Mianadahy fotsiny ny mpiasa tao taloha fa nampiana izy ireo amin’izao, noho ilay fandaminana mahakasika ny fanafainganana kokoa ny fandehanan-draharaha . Misy ihany koa ny mpanara-maso  na ny « inspecteur » manao sonia izany. Olona dimy izy ireo no miara-miasa mivantana eny Anosy.  Tsy miandraikitra ny « enregistrement » fotsiny anefa fa eo ihany koa ny “timbre sur visa” ho an’ny atitany.

 

M.M : Inona marina moa izany no andraikitra raisin’izy ireo eny ?

L.R: Rehefa misy ny didy mivoaka dia alefan’ny eo anivon’ny Fitsarana ao aminay ny antotan-tararasy mba hanaovana ny kajy, hahafantarana izay vola tokony haloan’ny olona manan-draharaha ao amin’ny Fitsarana sy ho an’ny ivon-ketra. Ireo rehetra ireo dia atao araka izay voalazan’ny lalàna ihany. Misy ny atao hoe « droit fixe » ary misy kosa ny atao hoe « droit proportionnel ». Noho ny fisian’ireo kajy maromaro tsy maintsy atao no mahatonga ny fahelan’ny fikarakarana. Ankehitriny, mivantana avy hatrany ao aminay ny dossier ka ny manan-draharaha ihany no mandoa ny vola tokony  haloany ao amin’ny hetra. Amin’izay afaka mangataka fanazavana tsara izy ireo momba ny vola izay naloany. Natao izany mba hisian’ny fangaraharana tanteraka eo anivon’ny fandoavana hetra momba ny didim-pitsarana.

 

M.M: Afaka manome ohatra momba izay kajikajy atao izay ve ianao ? 

L.R: Ny ady eo amin’ny mpanofa sy tompon-trano no betsaka ao amin’izao. Rehefa mivoaka, ohatra,  ny didy mampiala avy hatrany ny mpanofa trano ka mandoa onitra, dia io izany ilay « droit fixe » takianay. Ankoatra izay dia takianay ihany koa ny « droit d’enregistrement du contrat » niarahan’izy ireo nanao. Tsy manan-kery manko iny « jugement » iny raha toa ka tsy voarakitra (enregistrer) ny fifanarahana na « contrat ». Takianay ihany koa ny hetra momba io fifanarahana nandritra ny ady nifanaovan’ny roa tonta io. Misy ihany koa ny ady tany. Saingy raha toa ka manaiky ny Fitsarana fa azo ekena ny fifampivarotana nataon’ireo olona ireo dia ilainay ny hetra mifanaraka amin’ilay fifampivarotana, ankoatran’ny « droit d’enregistrement » an’ilay didy. Raha toa kosa ady tsotra tsy misy fifamindrana, toy ny adin’ny mpivady dia ny « droit fixe » ihany no aloa.

 

M.M : Misy fanamarihana tokony ho fantatry ny vahoaka kosa ary ve mahakasika ny hetra momba ny didim-pitsarana ?

L.R: Ny fandoavan-ketra izany dia manaraka ny lalàna misy hatrany ary efa hamoraina ilay izy mba ho mora ho an’ny rehetra. Misy ny tranokala www.impot.mg, izay azon’ny tsirairay atao ny mitsidika azy na iza na aiza toerana misy azy. Afaka mijery ao ny vahoaka ary misy fomba fiteny telo ao dia ny Malagasy, frantsay ary anglisy, arakaraka ny fahazoan’ny tsirairay azy. Voazava ao avokoa ny mombamomba ny hetra na inona io na inona. Misy fanazavana ihany koa ao raha toa ka te hahafantatra mialoha ny tombam-bidin’ny zavatra iray mialohan’ny fifampivarotana (na tany, na fiara, …), mba hangarahara ihany koa ny asa atao sady fampianarana ny olona ihany koa ny tanjona amin’izany. Misy manko ny olona matahotra miditra birao ka tsy tokony ho sakana intsony izany izay fa dia afaka mahafantatra misimisy kokoa ny tsirairay mahakasika ny hetra sy ny manodidina azy.

 

Vahatra Ny Aina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre