Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Mpitsabo mitsentsitra vahoaka

Anisan’ny minisitera tena mihetsiketsika amin’ny fametrahana fotodrafitrasa sy fitaovana hahafahana mitsabo ny vahoaka ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Na izany aza anefa dia mandiso fanantenana ny vahoaka hatrany ny zava-misy sy ny  fomba fiasan’ny mpiasan’ny fahasalamana. Misy dia misy tokoa ny fitokanana hopitaly sy toeram-pitsaboana maro saingy tsy manjary kosa ny fitantanana azy ireny. Ohatra, akaiky azo raisina ny mitranga atsy amin’ny HJRA Ampefiloha izay lasa asa fisolokiana ny betsaka. Rehefa hijery manam-pahaizana manokana ao mantsy ny marary dia ampandoavina vola iray alina Ariary izay vao asaina milahatra. Rehefa lany ora maro eo am-pilaharana dia miteny fotsiny ilay dokotera amin’ilay birao hoe diso laharana ilay olona fa mifindra birao hafa. Mandany ora vitsy eo indray ilay marary ary rehefa tonga amin’ny anjarany dia misy milaza fa tsy ao ilay tena manam-pahaizana dia tapitra eo ny raharaha. Ilay vahoaka mafiady efa tsy manam-bola noterena handoa volabe nefa tsy nahita mpitsabo akory ary niveri-maina lasa nody. Mangahiahy sy manozona sisa no azo atao satria ny fotoana lany, ny vola lasan’ny hopitaly, ary ny tena tsy nisy nitsabo. Maro ny olona tratran’io tranga mampalahelo io ary manafatra izay olom-pantany tsy handany andro amin’izay hopitaly fa dia miandry fahafatesana any an-trano fotsiny rehefa tsy vitan’ny fihinanana fanafody novidiana teny antsisin-dalana na ihany koa ny tambavy.

Tsy io ihany fa rehefa toeram-pitsaboana miankina amin’ny Fanjakana dia misy tandrevaka sy hafetsifetsena toy izany avokoa. Tao amin’ny hopitaly HJRA ihany dia nisy olona narary mafy ka nentina haingana tany amin’ny hopitaly. Nony tonga tao anefa tsy nisy niraharaha ary efa ho anstasak’adiny nasaina nipetraka teo amin’ilay seza fiandrasana. Rehefa tsy nanaiky fa nikiry sy nanery ny mpitsabo hijery ilay havany ny mpitondra ilay marary dia nanontanintany teo ilay dokotera mpiandry raharaha hoe inona no nahazo azy. Rehefa vita ny resa-be sady tsy nijery maso ilay marary akory ilay dokotera dia nitena tsotra fotsiny hoe tsy ato no mandray azy fa any Befelatanana. Tsy mahagaga raha betsaka ny maty eto Maadagasikara satria olona efa ambavahoana ny fahafatesana izao ary efa tonga ao amin’ny hopitaly dia tsy misy akory ny fepetra raisin’ireo dokotera na dia ny vonjy aina maika aza fa ny fantany dia ny hoe ento ary amin’ny hopitaly hafa fa ny any no tena mandray an-tanana io karazan’aretina io.

Mbola karazana fisolokiana sy famporisihana ny olona tsy hanantona toeram-pitsaboana ihany koa ny ao amin’ny Institut d’hygiène social ao Analakely. Ampandoavina sarany iray alina Ariary ihany koa ireo marary mankao nefa matetika tsy misy dokotera mijery akory fa rehefa avy nandoa vola dia misy mpitsabo mpanampy manome lisitra lavaba hoe hatao « analyse ». Izany hoe io taratasin’analyse io no novidiana Ar 10 000. Tsy mahagaga raha betsaka no tsy miverina intsony satria tsy manam-bola hanaovana izany.

Tsy ny mpitsabo sy ny toeram-pitsaboana rehetra anefa no manao izany fa misy ireo tena manao ny asany am-pitiavana sy matihanina tanteraka. Ny ao amin’ny hopitaly Befelatanana dia tena mandray an-tanana ny marary dieny mbola tsy tafajanona ny fiara mitondra azy ary eo noho eo dia misy mpitsabo sy mpitsabo mpanampy mijery avy hatrany ny soritr’aretina sy ny vonjy aina maika tena tokony hatao mba tsy hahafaty ilay olona. Tsy misy vola aloa amin’izany rehetra izany no sady tsy misy familafilana ihany koa. Mila jeren’ny minisitera ny fomba fiasan’ireo hopitaly ireo fa lasa manalabaraka ny minisitra sy ny fitondram-panjakana iray manontolo mihitsy. Tsy mahagaga mantsy raha maro no mimenomenona sy manakiana satria tena mampijaly vahoaka ny dokotera sy mpitsabo mpanampy eny amin’ny toeram-pitsaboana miankina amin’ny Fanjakana.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre