Vous êtes ici :

Vendredi 29 Mars 2024

ombre

Faritra iva Antananarivo – Misy mpanakan-dalana eny amin’ny faritra iva

Tsy ny mpandeha an-tongotra intsony no lasibatry ny fanendahana eny amin’ny faritra iva rehefa amin’ny alina fa hatramin’ireo any anaty fiara ihany koa. Misy mpanakan-dalana mantsy ny faritra maro eto an-drenivohitra ary ny traga re farany dia teny Andohatapenaka. Misy mitoraka avy hatrany ny fiara mandalo ka raha vao mijanona dia isavoritahan’ny andian-jiolahim-boto hatramin’ny 20 isa mahery any. Vao afakomaly alina no nisy tratra teny ka raha tsy nahay nirifatra haingana dia inoana fa sady matin’ireo jiolahy no sady voaroba tanteraka. Efa nisy toy izao ihany koa teny Anosibe fa mody niady teo afovoan’ny arabe ireo tontakely tamin’izay sady nibahana ny lalana ihany koa. Nisavoritahan’izy rehetra ilay fiara vao nandeha mora ary nisy iray efa tafakatra teo ambony tafo mihitsy. Nirifatra ilay fiara ary nipitika lavitra ilay jiolahy sy naratra mafy nefa mbola afaka nitsoaka ihany. Tsy sahy mametraka sakana toy ny vato ireo olon-dratsy eny amin’ny faritra iva satria misy ihany ny polisy mihodinkodina manao fisafoana amin’ny fiara amin’ny alina. Aleon’ireo mpangalatra miafinafina any anelakelan-trano ka mipoitra tampoka na mitady hevitra hanajanonana ny fiara mandalo mba hendahina.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre