Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Mpisintona lakolosy

Misavorovoro tsy mety milanto ny toe-draharaham-pirenena hatramin’ny niandohan’ity Repoblika fahefatra ity. Tsy mety mahita ilay fahamarinan-toerana katsahiny mihitsy ny mpitondra na manambara matetika aza fa laharam-pahamehana takian’ny asa fampandrosoana izany. Mipoitra ny olana iray dia lany hamahana iny ny fotoana. Milamina izany dia misy hafa mitranga indray ary toy izany hatrany. Tsy mahagaga raha sahirana ny mpitondra ary tsy mitsaha-mihalalina ny hantsana mampisaraka azy ireo amin’ny vahoaka. Ny vy anefa tsy mikintrana irery ary matoa misy ny tsy fifankazahoana dia betsaka ireo mpisintona lakolosy, araka ny fitenin’ny tanora. « Ireo olona mpandranitra fotsiny ka mitady ny kilema sy hadisoana rehetra mba hitarina entina hambolena fankahalana ny hafa no antsoina hoe mpisintona lakolosy ». Samy manana azy ireny avokoa na ny mpitondra na ny mpanohitra ary misy tena havanana sy mahay ny fomba fampiadiana sy fampirisihina ny malagasy hiditra amin’ny savorovoro mihitsy aza. Ohatra, iray amin’ireny ny ataon’ny tompon’andraiki-panjakana sasany izay mitady fanapahan-kevitra hitondra korontana eto amin’ny firenena hatrany. Natao tery vay manta fotsiny, ohatra, ilay lalàna mifehy ny fitsinjaram-pahefana izay nanovana ny sata manokana mifehy ny kaominina Antananarivo renivohitra. Tsy neken’ny hevi-bahoaka ireo ary niteraka resa-be sy fikorontanana mihitsy nefa dia tsy te hahalala ny mpitondra fa nisisika hatrany. Im-betsaka tsy lany teny amin’ny Antenimieram-pirenena io volavolan-dalàna io dia mody novaina kely ary avy eo nasisika ho lany ihany. Nony farany anefa dia io fa miverina amin’ny laoniny ihany ny fomba fifidianana sy ny rafitra eto an-drenivohitra. Volabe sy fotoana maro no lany tamin’izany nefa tsy te hahalala izay mihevi-tena ho manam-pahaizana sy manam-pahefana ao anaty fitondram-panjakana ao fa dia nikiry ihany nefa tsy nahita vokatra akory. Io ihany koa fa mbola miteraka resa-be sy mampihozongozona ny fitondram-panjakana mihitsy ny lalàna mifehy ny fifandraisana. Mbola ireo mpisintona lakolosin’ny mpitondra ihany koa no namboly ny korontana satria novain’izy ireo antsokosoko ilay volavolan-dalàna izay efa niarahana nandrafitra. Tsy vitan’izany fa mbola noterena holaniana indray ilay izy avy eo na dia efa niteraka savorovoro aza. Dia gaga ny mpitondra rehefa tsy mety mahita fahamarinan-toerana nefa izy ireo ihany no manao izay hahasorena ny hafa.

Santionany fotsiny ireo fa mbola tafiditra amin’ny fisintomana lakolosy ihany koa ny fandrarana ny vahoaka tsy haneho hevitra. Efa akantona tsy azon’ny olon-kafa ivelan’ny mpanohana ny fitondram-panjakana hanehoana hevitra ny haino amanjerim-panjakana dia tadiavina ho tapenam-bava ihany koa ny mpanao gazety sy ny mpiserasera amin’ny tranokalam-pifandraisana. Ny olon-tsotra amin’izany tsy mahazo maneho hevitra andalam-be fa voarara. Dia aiza izany ny malagasy no mba haneho hevitra. Ny mpitondra Fanjakana anefa tsy mahasahy midina ifotony hifampitafa amin’ny sarambabem-bahoaka akory fa miteronterona eny ambony fiara tsara tarehy mandalo fotsiny na ihany koa manao vavabe amin’ny kabary tsy valiana eny ambony pilopitra. Maharary ny vahoaka ny fanagejana sy ny fanampenam-bava ary vao mainka mampisy ny fahasorenana manoloana ny asa ataon’ny mpitondra. Fisintomana lakolosy avokoa ny fihetsika rehetra manao izay hampahasosotra ny vahoaka toy izany ary antony voalohany mahatonga ny tsy fisian’ny fifampitokisana sy ny fahamafisan’ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika eto Madagasikara.

Raha tena mikatsaka ny fampandrosoana marina ao anaty fitoniana ny mpitondra Fanjakana dia mila mihaino sy mifanakalo hevitra amin’ny vahoaka mba hisian’ny fifampitokisana sy ny fifanohanana. Tsy azo odian-tsy hita mantsy fa manana mpisintona lakolosy be traikefa sy tena faran’izay manan-talenta ihany koa ny mpanohitra. Miainga amin’ny fahantran’ny vahoaka sy ny tsy fahombiazan’ny mpitondra izany ary tonga amin’ny fiovan’ny zavatra betsaka satria marina avokoa izay resahina. Tsy handaitra anefa ireny rehetra ireny raha toa ny mpitondra tena miasa ary mahita vokatra mivantana ho an’ny vahoaka. Noho izany, « hendry tsara izy », izay fotsiny no ilain’ny malagasy. Raha tanteraka izany, Midina ny vidim-piainana, mora sy takatry ny fahefa-mividin’ny sarambabem-bahoaka ny sakafo sy ny fanafody ary ny saran-dalana. Mihena ny vidin-tsolika sy ny Jirama ary tsy misy intsony ny tsy fandriam-pahalemana. Sarotra ve ny manatanteraka izany ?

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre