Vous êtes ici :

Jeudi 18 Avril 2024

ombre

Amparihitsokatra – Potiky ny fitrandrahana volamena

Vao telo herinandro no nahitan’ny mponina  ao Antsiranandava, kaominina ambanivohitra Amparihitsokatra , distrikan’Ambatondrazaka, ny fisiana toeram-pitrandrahana volamena vaky,  ka nampandre avy hatrany ireo manam-pahefana isan-tsokajiny, toy  ny sampan-draharaha ny harena an-kibon’ny tany sy ny Solika sy ny ben’ny tanàna any an-toerana izy ireo. Taorian’izay, nidina nijery ifotony ny zava-misy tany an-toerana ny tale iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika, misahana ny faritany Toamasina, Amable André Benjamin, niaraka tamin’ny komity nasionaly ny harena an-kibon’ny tany, sy  ny Anor,ny andron’ny sabotsy 23 jolay 2016. Tapa-bolana fotsiny  izay  dia efa tafiakatra an’arivony ny olona  tonga any an- toerana amin’izao fotoana izao. Mpitrandraka miisa efatra no mitambatra amin’ny lavaka iray, izay ofaina iray alina ariary isany avy. Voalaza anefa fa tsy mahatratra iray grama isanandro no azon’ ireo olona mpitrandraka ireo. Efa misy ihany koa olona mpividy izay efa miandry avy hatrany ka iray hetsy ariary no andraisany ny  iray grama. Nanentana ireo mpitrandraka any an-toerana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hitandrovana hatrany ny fandriam-pahalemana sy ny fahadiovana. Nampahafantarina azy ireo ihany koa fa ny fanjakana no tompon’ny harena ao ambanin’ny tany ka mila mahazo alalana avy any amin’ny tompon’andraikitra ireo rehetra izay hitrandraka amin’izany toerana izany. Etsy ankilany, efa madiva ho tonga any amin’ny tanimbary ireo mpitrandraka ka tsy manaiky ny hanaovana fitrandrahana ny tompon’ny tanimbary ary nanao fanohanana teny anivon’ny kaominina, sady nampiseho ny taratasy mirakitra ny fanohanana tamin’ ireo tompon’andraiki-panjakana tonga tany an-toerana. Amin’ny ankapobeny, mihena  ny tsy fandriam-pahalemana satria miteraka asa ho an’izay tsy an’asa ny toeram-pitrandrahana toa  itony.

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre