Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Faratsiho – Nalain’ny dahalo hatramin’ny vehivavy

Tsy ny omby fotsiny no nangalarin’ny dahalo tany Faratsiho fa hatramin’ny olona ihany koa. Vehivavy miisa roa no nentin’ireo malaso niaraka taminy ny 22 jolay lasa teo taorian’ny fanafihana ny valan’omby iray ao Manohisoa Faratsiho. Tsy fantatra na nataon’izy ireo inona na nataony inona tany ireo andriambavilanitra fa dia nentiny an-keriny fotsiny tamin’izao. Tsy nisy rahateo fanamarinam-baovao na natao takalon’aina fotsiny ireo lasibatra na ihany koa naolan’ireo jiolahy. Ankoatra izany dia omby miisa 40 no lasan’ireo mpanafika. Nandritra ny alina manontolo mantsy ireo vehivavy no lasan’izy ireo ary navotsiny fotsiny tsy nisy fepetra ny ampitso maraina tamin’ny 9 ora.

Niisa 12 ireo dahalo ary nitondra basim-borona 4 ka tsy nahovoka ny tao an-tanàna na dia saika hiaro tena aza. Efa lasa lavitra nitondra ny omby sy ireo vehivavy nalaina ankeriny izy ireo vao roso tamin’ny fanarahan-dia ny fokonolona izay efa nampian’ny zandary miisa 8 avy ao amin’ny borigadin’Ambohimanambola sy avy ao Betafo. Tsy mbola nisy tratra ireo malaso ary tsy mbola tafaverina ihany koa ny omby rehetra.

Mampihorohoro ny mponina any an-toerana ity tranga iray ity satria tena loza mitatao ho an’ny vahoaka mihitsy ny habibian’ny dahalo izay tsy mionona antsony amin’ny halatra fa sady mamono mahafaty no maka olona an-keriny ihany koa. Ankoatra ny resaka fanolanana dia ahian’ny mponina ny mety hisian’ny fangalaran-taova ataon’ny dahalo.

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre