Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Nivadihan’ny kaominina ny vahoaka

Mimenomenona sisa no azon’ny vahoakan’Antananarivo izay mibaby ny vesatry ny fanjakazakan’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany. Ataon’ny kaominina mijalijaly mihitsy ary mandry tsy lavo loha ny ankamaroan’ny mponina. Mahery vaika sy masika ary tsy mitsitsy ireo tompon’andraikitra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra hampijaliana ny vahoaka. Vao haingana indrindra amin’izany ny manjo ireo mpitondra fiara karetsaka. Ireny olona ireny anefa no tena azo ambara fa fitaratra voalohany maneho ny endriky ny antsoina hoe mponin’Antananarivo renivohitra. Ny lehilahy mitondra fiarakaretsaka mantsy dia ireo olona manana ny maha izy azy saingy sahirana amin’ny fitadiavana asa nefa tsy te hivari-lavo ka aleony manao mpamily. Misy tompony ary misy mpanofa saingy ny itovizany dia tena nivoaka avy amin’ny sarangan’olona antonony eto an-drenivohitra izy ireny. Milaza ny kaominina fa ny tsy fahatomombanana ara-tekinika no anton’ny fisavana sy ny fanasaziana. Raha tena hitady vahaolana anefa ry zareo ao amin’ny lapan’ny tanàna ao dia manao hetsika fanavaozana ny taratasy fahazoan’ny fiarakaresataka miasa fotsiny ka apetraka amin’izany ny fepetra takiana rehetra. Tsy asiana fanavahana fa mahazo mangataka avokoa amin’ny fe-potoana voafaritra ny olona rehetra izay mahafeno ny fepetra. Tsy hanao izany anefa ny kaominina fa tonga dia ny sazy sy ny tetika hanajanonana ireo taxi amin’ny asany no tena tanjona. Mampieritreritra ihany io fomba fiasan’ny kaominina io satria toa lasa mitady hivadika ho ambanivohitra ity renivohitr’i Madagasikara ity. Mahagaga satria ny kalesy sy ny sarety mivezivezy amin-kalalahana tsy misy mpiteny nefa ny fiarakaretsaka izay mampiseho ny maha renivohitra ny renivohitra indray no anaovana antsojay mba tsy hiasa. Tsy taxi ihany no sahirana fa ireo mponina eto an-drenivohitra izay manana fiara ihany koa dia ataon’ny kaominina leo monina tanteraka. Fariparitana sy tsy azo ijanonana avokoa mantsy izao ny sisin-dalana rehetra satria nomena ambongadiny ny orinasa tsy miankina. Ny tanjon’ny kaominina izany dia ny hampanofana ireo fiantsonana ho an’ny mpandalo fa ny mponina eto izay manana fiara dia roahina an-kolaka tsy mahazo mijanona. Tsy izany mihitsy anefa no antsoina hoe fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Efa notenenina teto ity fampianarana lesona ho an’ny kaominina ity fa mbola averina indray sao tsy ampy fitadidiana izy ireo. Ny tena fomba fiasa amin’ny 3P dia ny mpandraharaha tsy miankina no manamboatra maimaimpoana fotodrafitrasa ho an’ny kaominina. Mifanohitra amin’izany anefa ny zava-misy eto satria ny fotodrafitrasa efa nisy teto indray no amidy amin’ny tsy miankina. Tsy fampandrosoana izany ary tsy misy tombontsoa ho an’ny vahoaka. Ny 80 isanjaton’ny vola miditra rahateo lasan’ny tsy miankina nefa ny kaominina be fitarainana milaza fa tsy ampy ny vola ao anaty kaonty.

Santionany ireo fa tsapa ho tena manao toetra tsy zaka amin’ny vahoakan’Antananarivo ireo tompon’andraikitry ny tanàna nefa hadinon’izy ireo fa ny mponina eto an-drenivohitra no nifidy azy fa tsy ny mpandalo. Ekena fa renivohitr’i Madagasikara Antananarivo na izany aza anefa dia ny olona monina eto no nanaovan’ny ben’ny tanàna praopagandy fa tsy ny vahiny sy ny mpandalo avy amin’ireo kaominina manodidina. Ny jioalhy sy ny mpanendaka no tokony hofoanana sy atao haza lambo raha tena miasa sy mandray andraikitra ny kaominina fa tsy misopatra ireo olona manana fiara sy ny mponina izay mba manao asa fivelomana kely toy ny varotra madinidinika ary ny fitondrana fiarakaresatsaka.

Mila manamboatra ny lalana sy ny toeram-piantsonana aloha raha te handamina ny fifamoivoizana ny kaominina fa tsy ny efa misy no fariparitana sy alaina ambongadiny mba hamidy amin’ny tsy miankina. Tena very Iarivo raha izao no mitohy satria anjakan’ny didy jadona sy ny mpanankarena !

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre