Vous êtes ici :

Jeudi 18 Avril 2024

ombre

Mahabo – Nifamono ny samy tompon’omby

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray very omby miisa 4 , izay monina any Mandabe Mahabo rehefa nisy namono noho ny disadisa nateraky ny halatr’omby. Nangataka ny fokonolona hanampy azy mba hitady ny fananany izy. Nahangona 21 lahy izy tamin’izany ary roso tamin’ny fanarahan-dia izy rehetra. Tonga tany Mandabe ry zareo ary nahatsikaritra fa nifarana teo akaikin’ny valan’ny mpanao dabok’andro iray ny dian’omby. Rehefa nojerana akaiky sy natao ny fanavahana dia tao tokoa ireo omby 4 very. Indrisy anefa fa nisy namono antsokosoko izy ny alina. Nokapaina tamin’ny famaky ny fihirifany no sady notsatoana lefona teo amin’ny kibony havanana. Very tamin’izany ihany koa ny basim-borona tena aminy. Efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha sy ny fanadihadiana saingy tsy mbola nisy olona voasambotra aloha raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary. Ny tranga toy izao anefa no mahatonga ny fifamonoan’ny samy vahoaka ifotony izay mateti-piseho tato ho ato. Fantatra mazava mantsy ny ankamaroan’ireo mpaniraka ny dahalo saingy mahitahita izy ireny no sady sahy mamono olona ka tsy misy sahy mikitika ary izy ireo indray no mampihorohoro ireo voatafika sy very fananana. Misy lafiny tsara ihany indraindray ny fomba fiasan’ny mpitandro filaminana sasany izay tonga dia mitifitra sy mandripaka ireo voaporofo fa tena dahalo.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre