Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Betroka – Infirmiera maty nokapain’ny jiolahy

Taorian’ny fasana sy ny fiangonana dia ny mpitsabo indray izao no lasibatry ny olon-dratsy !

Nokapain’ny jiolahy ny famaky teo amin’ny lohan’ilay mpitsabo mpanampy ka maty tsy tra-drano. Nisy lehilahy iray saika hiaro an’io mpitsabo io ihany koa maty voatifitra. Tany Betroka no nisehoan’io vono olona io afakomaly tamin’ny 9 ora alina. Mody nandona sy niantso vonjy ireo olon-dratsy ary niantsoantso fa mitondra olona marary mafy mila fitsaboana haingana. Nanokatra ny tranony ilay mpitsabo kinanjo, enin-dahy nirongo basy sy famaky no niandry azy tao ivelany ary avy hatrany dia nibosesika niditra tao an-trano. Noterena avy hatrany hamoaka ny vola sy ny zavatra sarobidy rehetra ilay radoko ary avy eo nokapaina tamin’ny famaky teo amin’ny lohany ka maty tsy tra-drano izy. Nisy olon-kafa nahatsikaritra ny zava-nisy, izay saika mba hiaro azy saingy voatifitra avy hatrany ka namoy ny ainy ihany koa. Anisan’ny tena iankinan’ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny CSB Vohitsoa io mpitsabo mpanampy io satria saika izy avokoa no misahana ny ankamaroan’ny marary any an-toerana.

Nanao filaharam-be ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra any Betroka omaly vokatr’io tranga io. Tsy fanakorontanana ara-politika, sanatria ny anton’ny hetsika hoy izy ireo fa kosa fitakiana ny fandraisan’andraikitry ny rehetra mba hiaro ny dokotera izay tena tandindomin-doza. Nandray fepetra maro, manoloana izany ny tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana ka anisan’izany ny fandrarana ny fanantonana mivantana ny mpitsabo amin’ny alina. Tsy maintsy miantso tompon’andraikitry ny fokontany aloha izay vao afaka mankany amin’ny mpitsabo mba hisorohana ny hiverenan’io tranaga io. Efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ihany koa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre