Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Tsy misy taolan-kavadika !

Mirongatra be indray  ny vaky fasana sy ny halatra taolam-paty amin’izao fotoana izao. Ny tena mahagaga ny olona dia ao anatin’ny fotoanan’ny famadihana mihitsy ireo tsy valahara no manao ny asany. Tranga manohina ny fo ny fahitana olona mitoloko noho ny alahelo mandritra ny fotoam-pamadihana satria efa tsy ao intsony ny taolan’ny havan’izy ireo izay saika havadika. Ny tena mahagaga dia tsy mety fantatra mihitsy ny antonantony mazava isian’ny halatra taolam-paty. Nisy ary maro ihany ireo tratra nitondra taolana sy namaky fasana saingy tsy nahazoana fanampim-baovao mazava izy ireny hamantarana ny tena antony. Saika iraka sy mpandray kaomandy fotsiny mantsy ireo tratra fa ireo tena mitady sy mpividy ny taolana tsy hita mihitsy. Maro ihany anefa ireo fianakaviana azo ambara fa manan-karena sy manana ny maha izy azy ary vonona ny handoa volabe hamongorana ny tambazotran’ny mpamaky fasana saingy tsy mety mahita olona mahay afaka ny hitondra vokatra hamahana io misitery io izy ireo. Ny azo antoka aloha dia hita fa manomboka very hasina ny kolontsaina sy fomba amam-panao mifantoka amin’ny fanomezan-danja ny hasin’ny razana sy ireo loharano nipoiran’ny taranaka rehetra aty aoriana. Tena natahorana mantsy izany fasana sy razana ary matoatoa sy mpamosavy izany fahiny saingy ankehitriny dia hita fa tsy misy heriny akory. Tsy hisy fasana ho vaky izany na iray aza raha tena nanan-kery ny fanahin’ny maty. Na izany na tsy izany dia heloka bevava ny vaky fasana satria sady halatra no fanimbazimbana sy fanitsakitsahana ny fiankavian’ny hafa. Tsy misy tany handosirana itsony eto Madagasikara satria na aiza na aiza aleha dia misy hatrany ny loza manambana noho ny tsy fandriam-pahalemana. Mijanona ao an-trano tongavan’ny mpanafika mitam-piadiana, mivoaka eny ivelany mety ho fatin’ny mpanendaka, miditra any am-piangonana mifanehitra amin’ny mpangalatra lakolosy ary maty any am-pasana mbola misy mangalatra ny taolana.

Izany rehetra izany dia taratry ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana satria ny tany tan-dalàna dia mametraka mazava olona nokaramaina sy nofanina manokana hitandro ny filaminana sy hanao izay hanafoanana ny asan-jiolahy amin’ny endriny rehetra. Tsy ireo mpitandro ny filaminana akory no tsy mahay fa ny fomba fanirahana azy ireo hanao ny asany no tsy mifanandrify intsony amin’ny zava-misy. Iaraha-mahita mantsy fa rehefa tena mihetsika avokoa ny mpitandro filaminana dia milefa na voasambotra avokoa ny jiolahy rehetra na aiza na aiza toerana voakasika. Porofon’ireny ny any Atsimo izay malaza ratsy amin’ny hoe manao ody basy ny dahalo ka tsy handairam-bala. Rehefa tena alefa any anefa ny miaramila sy zandary tsara fiofanana ripaka sy vaky mandositra avokoa ireo malaso ary tsy hita izay tena herin’ny ody ataon’izy ireo.

Mila mandray andraikitra goavana ny mpitondra Fanjakana mba hiarovana ny vahoaka sy ny fananany satria sady efa mifika taolana noho ny fahantrana ny ankamaroan’ny malagasy no mbola tsy hisy taolan-kavadika intsony rehefa maty. Tsy vazivazy zary tenany izany fa tena zava-misy marina sy mampikorontan-tsaina ny isam-pianakaviana mihitsy. Tsy ny baomba nipoaka teny Mahamasina sy ny fanaovana vy very ny aina any Frantsa ihany no azo antsoina hoe : asa fampihorohoroana fa ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny endriny rehetra eto Madagasikara mihitsy. Tsy misy toerana na iray aza eto hahafahan’ny vahoaka mba milamin-tsaina fa tsy ho tratran’ny asan-jiolahy. Manoloana izany rehetra izany anefa dia mbola sahin’ny mpitondra ny manodikodina ny saim-bahoaka amin’ny filazana fa misy ifandraisany amin’ny fanakorontanana ara-politika ireny tsy fandriam-pahalemana ireny.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre