Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Ankazobe – Faty miisa 6 nisy nangalatra

Tsy taolan-dava intsony no nalain’ireo mpamaky fasana tany Ankazobe fa razana iray manontolo mihitsy. Fasana roa no nisy nanafika ka ny voalohany nahaverezana faty 2 ary ny faharoa kosa dia nentin’ireo jiolahy ny faty 4. Tao amin’ny kaominina Ambohitromby no nitrangan’izany saingy tamin’ny fokontany samihafa tsy dia mifanalavitra loatra kosa. Tsy nisy tratra ireo mpamaky fasana ary mbola eo am-panaovana ny fikarohana ny zandary. Avy eny Ambohimangakely sy Manjakandriana ary Andriampamaky izany ny mpamaky fasana dia lasa nitodika any Ankazobe indray. Ankoatra ireo tratra ambodiomby teo ampanokafana fasana sy ireo mpitondra taolam-paty dia matetika tsy tratra izany ny mpamaky fasana. Tsy mbola sahy mamoaka ny tsiambaratelon’ity resaka halatra taolam-paty sy vaky fasana ity rahateo ny Fanjakana malagasy fa saika mionona amin’ny resaka tombatombana sy honohono fotsiny ny vahoaka. Na ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana aza dia tsy manana fanampim-baovao mazava sy feno mahakasika ny tena antony hisian’ny halatra taolam-paty sy ny mpividy izany ary ny hampiasana azy. Mifarana amin’ny fanagadrana ireo mpitondra taolana sy mpamaky fasana ny fanadihadiana dia tsy misy tohiny intsony.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre