Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Ambohimahasoa – Taksiborosy voaroba, lasa ny vola 6 tapitrisa ariary

Dimy kilaometatra miala an’Ambohimahasoa no nitrangan’ny fanafihana omaly tamin’ny 3 ora maraina. Taksiborosy avy any Ihosy hiazo an’Antananarivo no nosakanan’ny jiolahy teo amin’io toerana io. Nasian’izy ireo hazo  nitsivalana teo afovoan’ny arabe ka nijanona kely ny mpamily ary saika hiverina avy eo. Tara loatra anefa izany fihetsika izany satria nipoitra tampoka avy ao amin’ny maizina ireo mpanafika ka nitifitra avy hatrany. Voa mafy ilay mpamily ka tsy nahavita nampihetsika ny fiara intsony ary niditra sy nandrahona ny mpandeha rehetra ireo mpanafika. Lasa tamin’izany ny vola sy firavaka ary zava-tsarobidy hafa teo amin’ireo mpandeha. Mbola nisy entana  nosokirin’ireo jiolahy ihany koa teo amin’ny tafon’ny fiara ary lasan-dry zareo izay tiany tao. Vehivavy iray voalaza fa nitondra vola mitentina 6 tapitrisa Ariary no tena voa mafy. Raha ny tombatomban’ny maro dia karazan’ny io ramatoa io mihitsy no nandrasan’ireo mpanakan-dalana fa ny ambiny dia fanararaotana fotsiny ihany no antony nanendahana ny mpandeha sasany. Mitovy amin’izao mihitsy mantsy ilay tranga tany Berenty nahafatesana olona miisa 34 satria fantatr’ireo dahalo fa nitondra volabe ilay mpamily. Mampiseho ity fanafihana tao Ambohimahasoa ity fa manombola miverina indray ny fanakanan-dalana. Ratsy rahateo ny ampahan-dalana ao Ambohimahasoa ka tsy afaka mandeha mafy ny fiara ary mora ho an’ireo olon-dratsy ny manao ny fanafihana.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre