Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Sakafo mahafaty !

Niteraka resa-be teto amin’ny firenena ny nahafaty tompon’nadraikitra ambony iray tamin’ny faran’ny herinandro lasa iny. Ny fanazavana ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana dia resaka tosidrà niakatra tampoka. Ny vaovao nangonin’ny olona teny an-toerana kosa milaza fa fanapoizinana ara-tsakafo. Tsy anjarantsika ny hiditra amin’izany fa efa misy ny dokotera sy ny mpitandro filaminana manao ny fanadihadiana ka izy ireo ihany no tena afaka manamarina ny zava-nitranga marina. Ny afaka resahintsika dia ny tsy fahalavorarian’ny fanaraha-maso ny sakafo amidy eto Madagasikara. Eto an-drenivohitra, ohatra, dia misy ireny oitra”huitre” sy “tekateka” amidin’ny mpivarotra mandehandeha ireny. Betsaka ny olona mankafia azy ireny saingy rehefa tena jerena kosa dia tsy manara-pahasalamana loatra noho ny loto. Sakafo mbola milona anaty fotaka, sady tsy misy fanasana akory no amidy sy misy mihinana. Na inona na inona fanazavan’ny mpahay azy dia maloto ireny “huitre” sy tekateka ireny ary atahorana hiteraka aretina sy fanapoizinana. Tsy mbola re mihitsy anefa ny fandraisan’andraikitry ny manam-pahefana hanenjika sy hanasazy ireny mpivarotra mandehandeha ireny. Tsy izy ireo ihany fa ireo mpivarotra hani-masaka amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy azo antoka. Mitobaka be mihitsy anefa ny varotra nem, sambos, sy ny karaza-mofo samihafa izay mahasarika ny maro, indrindra ny ankizy. Rehefa tena jerena dia maloto sy tsy ara-pahasalamana ny fomba fikarakarana ireny sakafo ireny nefa tsy misy ny fanaraha-maso. Fahasalamana sy ain’olona anefa no resahina eto.

Ankoatra ireo dia saika nahenoana olona matin’ny toaka nosotroiny isan-kerinandro, teo ho eo. Mamo be ny alina dia tsy nifoha intsony ny maraina. Na koa hoe nisy faty hitan’ny olona teny amoron-dalana na tany anaty tatatra ka rehefa nozahana dia nahenoana fofon-toaka be. Maro ireo olona sahirana ara-pivelomana no efa nijoro vavolombelona fa tena mahafaty ny toaka gasy. Raràn’ny Fanjakana rahateo ny fivarotana azy io nefa hita mibaribary fa mbola amidy eny amin’ireo tsena kely sy fivarotan-toaka amin’ny fokontany maro eto an-drenivohitra sy any ambanivohitra io karazan-toaka io. Tsy ampy ny fanaraha-maso sy ny fanentanana satria fantatry ny mpiray tanàna avokoa ireo mpivarotra toaka gasy. Saika mionona fotsiny amin’ny fanenjehana ireo mpitondra toaka gasy ny tompon’andraikitra misahana ny fanenjehana izany fa tsy midina ifotony manao sava hao ireo mpivarotra.

Manampy trotraka ireo rehetra ireo ny fitobahan’ny sakafo lany daty avy any ivelany izay tsy araka ny minisitera mpiahy ny fahasalamana sy ny varotra mihitsy ny fanaraha-maso azy ireny. Hita mazava fa hamidy eny amoron-dalana sy eny amin’ny tsenakely samihafa anefa ireo karazana sakafo lany daty ireny. Misy ihany koa ireo mpanafatra no mivarotra sakafo efa ho lany daty amin’ny vidiny mora dia mora ka maro ireo mividy betsaka mba hatao tahiry.

Tena loza mitatao ho an’ny vahoaka malagasy ity resaka sakafo tsy zarizary ity ary ahiana handripaka olona maro mihitsy raha tsy misy ny fanapahan-kevitra maika sady mahomby raisin’ny fitondram-panjakana. Ny vahoaka hatrany no lasibatra satria ny kely nialan’ny vola indray no ahiana hahafaty. Tsiahivina hatrany fa efa mateti-pitranga loatra ny fanapoizinana ara-tsakafo eto amintsika ary amin’ny ankapobeny dia ireo mpivarotra hani-masaka sy sakafo mandehandeha no mahatonga izany. Sady maloto ny hanina amidin’izy ireny no namboarina tamin’ny zavatra tsy manara-penitra sy lany daty ihany koa.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre