Vous êtes ici :

Jeudi 18 Avril 2024

ombre

Mandritsara – Lehilahy iray maty voatifitra teo amin’ny handriny

Teo an-tampon-kandriny mihitsy no voatifitra sy niantefan’ny bala ka maty tsy tra-drano ny lehilahy iray tany Mandritsara.  Fanafihan-jiolahy ity nitranga ity ary nampiasa basy sy nanao fanamiana miaramila ireo mpanafika. Ankoatra ny halatra dia io namono nahafaty ny tompon-trano io ihany koa ireo jiolahy. Haingam-piasa ny mpitandro filaminana tamin’ny fanadihadiana sy ny fikaroham-baovao ary nanampy betsaka rahateo ny fokonolona ka efa misy olona 3 voarohirohy amin’ity raharaha ity no voasambotra. Fantatra fa vehivavy ny iray tamin’ireo jiolahy azo sambo-belona ireo. Mbola misy namany maro ihany koa anefa miriaria any ary karohina fatratra hatramin’izao. Ny mahagaga any amin’ny toerana lavitra dia ny fomba ananan’ny olona basy. Manana basim-borona avokoa farafaharatsiny ny sivily rehetra nefa tsy misy toerana manokana fivarotana izany any. Midika io tranga io fa misy tambajotra fampidirana basy antsokosoko ary mbola tsy mety tratra eto Madagasikara. Tsy mahagaga raha tonga eny am-pelatanan’ny dahalo sy jiolahy ireny fitaovam-piadiana mahafaty ireny.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre