Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Toamasina – Voasambotra ireo mpisoloky safira

Mpisoloky miisa 7 no voasambotry ny polisy ao Toamasina. Maka volan’olona amin’ny fanaovana varo-draikiraiky ireto olon-dratsy ireto ary efa manana tetikady mazava hanatanterahana izany. Milaza ho mpibizina vato sarobidy sy merkiora izy ireo mba hamitahany ireo lasibatra. Misy mihitsy olona miendrika vazaha mpiray tsikombakomba amin’izy ireo ary mody mijoro vavolombelona amin’ireo hosolokiana fa efa mpividy safira sy merkiora matetika ary afa-po. Roboka ireo tsy mahalala ka mividy lafobe. Ny merkiora moa dia ranon-javatra tsy azo atao anaty tavoahangy mangarahara fa atao anaty volotara ngezabe sy goavana na ihany koa anaty tavoahangy mifono be ka tsy hita izay ao anatiny. Rehefa tena ampiasaina izy io vao azo sokafana ka amin’izay fotoana izay vao tonga saina ireo mpividy fa voasoloky. Ho an’ny safira indray dia vakin-tavoahangy miloko manga no mody namboamboarina haka endriky ny vatoteky ka io no amidy lafobe. Efa amam-bola ireo mpisoloky ireo no nanao io asa ratsy io ary efa maro ny voa sy nitaraina. Tratra ihany anefa izy ireo rehefa nanaovan’ny mpitandro filaminana velam-pandrika. Anisan’ny notsindrian’ny polisy mafy ny tokony hampiharan’ireo orinasa misehatra amin’ny fifandraisan-davitra ny fanapahana avy hatrany ny laharan’ireo “puce” tsy mbola misy anarana. Hatramin’izao mantsy dia mbola betsaka ny mpisoloky mampiasa ny fandefasana vola amin’ny telefaonina.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre