Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Iakora – Jama 8 matin’ny dahalo

Nahery vaika ny asan-dahalo nitranga tany Iakora omaly vao maraim-be. Tamin’ny 6 ora izy ireo no tonga tao amin’ilay tanàna. Miisa 120 mahery ireo dahalo ary avy hatrany dia nanao tifitra variraraka sy nanangona ny omby. Tsy nanaiky nolembenana anefa ny mponina ary niaro tena sy nanao ny fanarahan-dia avy hatrany. Nanao tampody fohy ireo malaso ka raikitra ny fifandonana mahery vaika. Raha ny tatitra voaray dia niampatrapatra ny faty taorian’ny fifampitifirana ka Jama 8, fokonolona 10 ary dahalo 2 no lavo. Tsy nisy tafaverina ny omby ary tsy sahy nanohy ny fanarahan-dia intsony ihany koa ny tao an-tanàna.  Efa nandray ny andraikiny nanao ny fanenjehana ihany koa ny mpitandro filaminana saingy tsy mbola fantatra izay niafaran’izany. Ny jama moa dia olona sivily mahafehy tsara ny fomba fiady ary manana ody mahery tsy laitran’ny dahalo. Ny Jama no karamain’ny tompon’omby hiambina ny omby.

Tampoka sy tsy nisy nanam-po ity fanafihana mahery vaika ity satria efa ela tsy nahenoana izany andian-dahalo an-jatony izany tany amin’ny faritra Atsimo. Misy rahateo ny fametrahana ilay andian-tafika manokana hiady amin’ny asan-dahalo izay nampilamindamina kely ny tsy fandriam-pahalemana tany an-toerana. Ankoatra ireo dia efa tafapetrapetraka avokoa ny dinabe sy ny kalaony izay ahafahan’ny vahoaka miaro tena manohitra ny fanafihan-dahalo. Efa maro ireo malaso nitondra faisana tamin’io lamina napetraka hitandroana ny fandriam-pahalemana io. Nampiseho anefa ity fanafihana tao Iakora ity fa nanova sy nanamafy ny fomba fiadiny ihany koa ireo dahalo.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre