Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Tsy misy fifampiraharahana azo atao

Mikatso tanteraka ny adihevitra sy fifampiraharahana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Rehefa tena  jerena mantsy dia tsy misy fifampiraharahana azo atao mihitsy fa tsy maintsy manaraka ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana ny rehetra. Ohatra, akaiky amin’ireny ny fandravana trano sy fakana tany etsy sy eroa. Mahita faisana voalohany ny vahoaka madinika. Vao afakomaly, ohatra, no narodana ny trano fipetrahan’ny teknisianinan’ny fiompiana eny Andohatapenaka. Niezaka niady tamin’ny alalan’ny lalàna sy ny fitsarana ihany ireo lasibatra saingy tsy nisy vokany izany. Nanaiky nidinika ihany koa fa mitovy ihany ny vokatra azo : tsy maintsy miala ary efa narodana ny trano. Tsy ry zareo irery no voa toy izany fa betsaka. Toy ny orinasa TIKO, na nampiasa ny resaka politika aza dia tsy mety mahazo rariny amin’ny tany eny Andohatapenaka sy ny tany eny amin’ny Magro Ankorondrano.

Nitondra faisana tamin’ny tsy faneken’ny fitondrana hiroso amin’ny marimaritra iraisana ihany koa ny mpanao gazety. Mbola tsy nofidiana teny anivon’ny parlemanta akory ilay lalàna mifehy ny serasera sy ny fifandraisana dia efa nisy ny sosonkevitra sy hetsika maro natao mba hanovana izany nefa tsy nisy vokany. Ireo andrim-panjakana rehetra nantsoina sy nantonina, niainga teny amin’ny Governemanta, nandalo ny Antenimierandoholona sy ny Antenimieram-pirenena ary nifarana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana sy ny fiadidiana ny Repoblika dia tsy nisy nanaiky ny fangatahana avokoa. Efa lany sy neken’ireo andrim-panjakana rehetra ireo ilay lalàna ka tsy maintsy eken’ny rehetra.

Io tsy fihainoana ny hafa io ihany anefa no tena mahatonga ny otrikafom-pitokonana izay maniry toy ny bozaka amin’izao fotoana izao. Mahatsapa ny tsy fetezan’ny fitantanan-draharaha ny olom-pirenena sy ny vondrona maro samihafa ka miezaka ny manaitra ny sain’ny mpitondra Fanjakana mba hijery akaiky ny zava-misy sy ny lesoka saingy tsy misy mpihaino. Maka fanapahan-kevitra tsy nifampierana tamin’izay tokony ho voakasik’izany mantsy ny mpitondra ary manao di-doha amin’ny anaran’ny fampanjakana ny tany tan-dalàna sy ny fahefana nomena azy ireo. Miteraka fahasorenana sy fahadisoam-panantenana ho an’ny vahoaka izany ary mampihena ny fifampitokisana amin’ny mpitondra sy ny olom-pirenena.

Ohatra iray mampiseho ny alahelom-bahoaka ny fankahalana ireo mpandraharaha teratany sinoa amin’izao fotoana izao. Tsy ny sinoa anefa no ratsy fa ny fomba fitantanana ny fanomezan-dalana hitrandraka ny volamena eto Madagasikara mihitsy no tsy eken’ny vahoaka. Nanao fangatahana ny sinoa ary nanaraka ny fepetra rehetra dia nahazo alalana ka nitradraka. Raha misy izany ny hadisoana dia an’izay nanome izany fahazoan-dalana izany. Ny tena zava-doza dia lasa ny vahoaka malagasy sy ny sinoa no miady nefa ny tompon’andraikitra nanapa-kevitra hanome fahazoan-dalana no tsy nandinika tsara ny mety hisian’ny disadisa. Rariny sy hitsiny tokoa ny vahoaka raha tsy hanaiky ny fitrandrahana ataon’ny sinoa satria an’ny malagasy ny tany sy ny volamena rehetra ao aminy. Betsaka  ny malagasy avy amin’ny lafy valon’ny Nosy no vonona sy te hitrandraka ny harem-pirenena nefa tsy mahazo manao izany. Misy mihitsy ny fandefasana mpitandro filaminana hanala ireo malagasy mpitrandraka madinika. Rehefa ny vahiny anefa no haka ny volamena sy ny vatosoa ary ny vy ao ambanin’ny tanin’i Madagasikara dia omena alalana mazava.

Tsy misy adihevitra miaraka amin’ny tompon-tany ihany koa ny fanomezana alalana ny vahiny hitrandraka eto amintsika fa dia vita mangingina any ambonimbony any. Efa mihetsika sy manohitra ny zava-msiy ny vahoaka vao mody misy atao ny fanangonan-kevitra sy ny fanazavana ary ny fifampidinihina. Toy ny mahazatra anefa dia mijanona amin’ny resaka ihany izany rehetra izany satria tsy mety mandray fanapahan-kevitra hanafoananana ny fahazoan-dalana nomena ny sinoa hitrandraka ny volamenan’ny malagasy ny Fanjakana.

Toy izany ny fomba fitantanana lazaina fa mahomby eto Madagasikara. Ekena ary tsy iadian-kevitra fa tena malalaka amin’izay heveriny ho politikam-pampandrosoana ny firenena ny mpitondra nefa kosa mitaky vokatra mazava sy azo tsapain-tanana miantraika amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka izany.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre