Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Soamanjaka – Tratran’ny alika ny mpangalatra lakolosy

Alika mpitsongo dia no nahatrarana mpangalatra lakolosy tany Soamanjaka. Fiangonana Fjkm ao Soamanjaka Ampangabe Ambohidratrimo no lasibatra tamin’ity halatra ity. Tsy niditra tao am-piangonana ireo jiolahy fa nitondra tohatra lavabe nianihana ny tilinkambo. Tsy nisy nahita na nahatsikaritra ny zava-nisy mihitsy fa ny marina vao samy talanjona ny rehetra rehefa nanjavona ny lakolosy. Nampandre ny zandary avy hatrany ny zavatra very ny mpitandrina ilay fiangonana ary nitondra alika mpitsongo ireo mpitandro filaminana. Rehefa namofompofona ny toerana manodidina ny fiangonana ilay alika dia nizotra nanandrify ny trano iray tsy dia lavitra eo ka nitokona teo am-baravarana. Toy ny mahazatra dia heverina ho niditra tao amin’io trano io ireo nangalatra ny lakolosy ka nosamborina ilay lehilahy mipetraka ao. Tsy tratra tao kosa anefa ilay lakolosy ka mitohy ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana.

Mbola mifamahofaho hatrany hatramin’izao ny antony mampirongatra ny halatra lakolosy ary tsy mbola nisy tratra ny atidoha mpaniraka izany. Ny fantatra tamin’ilay halatra lakolosy farany teny amin’ny Ekar Ankazomasina Ankadimbazimba Manjakandriana dia amidin’ireo mpangalatra 30 tapitrisa Ariary ny lakolosy iray. Raha tsiahivina dia  tratra ambodiomby teo am-pibatana ilay lakolosy mihitsy moa ny lehilahy roa tamin’io fotoana io.

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre