Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Miverina tsy an’asa !

Nanezaka mafy ny mpitondra ankehitriny ny hiverenan’ilay fifanarahana ara-toe-karena eo amin’ny firenena amerikanina sy ny fitondrana malagasy izay tsy inona akory izany fa ny « agoa ». Tafaverina tokoa izany tamin’iny taona lasa iny rehefa tapaka nanomboka ny taona 2009, izay taona nahatongavan’ny mpitondra teo amin’ny tetezamita. Tsaroana tokoa tamin’izany fotoana izany fa tezitra mafy ry zareo amerikanina fa hoe nanongam-panjakana, hono, ny malagasy maro an’isa. Fantatry ny maro ary tsy azo disoina ny tantara fa tsy azokazon’ireto be kintana ny filoha Andry Rajoelina, izay nandray ny fahefana ary dia novoizin’izy ireo tokoa ny hoe “fanonganana” fa tsy hoe akory hetsi-bahoaka leo ny tsy rariny sy ny fangoronan-karena nataon’ny mpitondra tamin’izany. Nofoanan-dry zareo ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa natao, toy ny « agoa » izay tsena lehibe iray ho an’ireo orinasa afaka haba teto amin’ny nosy. Mazava àry fa tsy maintsy mikatona ny orinasa ary niverina niampita rano indray ireo mpampiasa vola rehefa nihidy ny làlana. Vokany, an’alina maro ireo mpitrongy vao homana sy zara raha mitafy no very asa ka voatery tsy maintsy mitady ny hevitra rehetra hamelomana tena. Mazava ihany koa fa tsy nisy izay iraharahian’ny mena sofina ny manjo ireto vahoaka mahantra fa rehefa mihatra aloha ny sazy dia ampy izay.

Fotoana elaela taorian’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2013 vao niverina indray io fiaraha-miasa anatin’ny “agoa “ io satria, hono, efa nahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena indray ra-malagasy. Nandrasana araka izany ihany koa ny fiverenan’ireo mpanambola vahiny hanondraka ny volany ao amin’io sehatry ny orinasa afaka haba io saingy toa narisarisa be ihany ry zareo ary dia vitsy sy azo isaina amin’ny rantsan-tanana no namaly ny antso sy nameno ny banga. Azo eritreretina fa nalalaka ny sehatra hahafahan’ireo orinasa manenjika ny tsena amerikanina raha izay tokoa ny marina kanefa toa tsapa eto an-toerana fa vitsy dia vitsy ihany koa ny fandraisana mpiasa Malagasy. Voaporofo amin’ny tranga misy ankehitriny tokoa izany fa tsy nihena firy ireo mpivarotra amoron-dalana nameno ny araben’Antananarivo fa vao mainka aza nihamaro tsy araka ny tokony ho izy.
Fotoana vitsy taorian’izay dia fantatra indray izao fa hisy orinasa handefa ny mpiasany hiala sasatra aloha ary amin’ny fotoana tsy voafetra. Dia gaga ny maro satria tsy mandray firy ny vokatra Malagasy indray izany ry zareo be kintana, na dia teo aza ny fiverenan’ity fifanarahana “agoa” ity. Ka inona moa fa tsy maintsy miverina tsy an’asa indray izany ka hiezaka handresy lahatra ireo magazay sinoa sy karana mba hanome trosa ireo entana azo varotana aloha. Ny tsinay tokoa tsy mba vatsy, ny kibo tsy mba lamosina ary indrindra, ny ankizy tsy maintsy mi…., araka ny fomba fiteny ankehitriny, dia tsy maintsy miezaka izany ny lehibe mitady izay ho arapaka isan’andro aloha. Manampy trotraka ihany ny amin’izao fotoana fidiran’ny mpianatra izao satria ahoana tokoa moa no hijerena fotsiny ireto kilonga hijanona ao an-trano na koa hirenireny eraka ny arabe. Araka izany, tsy maintsy mitady i dada sy neny ary tsy maintsy mahita, eny fa na dia hanao ny tsy fanao aza, ankoatra ny mangalatra sy ny mandroba izany satria hitarika fahasahiranam-be hafa indray ireo.  Raha izany no ho visavisaina dia mazava fa mitovy tsy misy valaka noho ny tamin’ny andron’ny tetezamita ihany ny toe-draharaha saingy tamin’ireny aza, mbola afaka … nitsikaraka tetsy sy teroa kanefa tsy nisy polisy monisipaly sy polisy nasionaly nanenjika sy mibata tsotra izao ny entana hamidy. Ary na dia nisy aza ny tsolotra tamin’izany andro izany dia araka ny fitenenana hoe : “hanamboarana ny rovakely”! Raha tsy diso ny tadidy dia midika io fitenenana io fa tsy misy akory ny fetra ambany indrindra fa izay ananan’ny tena no atolotra ny mpikarakara. Amin’izao fotoana izao, tonga dia milaza ny vola ilaina hahavitana ny raharaha ny tompon’andraikitra ary amin’izay dia mihoatra lavitra noho ilay ampahafolon-karena tadiavin’ny fiangonana mihitsy. Araka izany, aleo tonga dia … milamina raha kelikely vovokaina satria mety ho lafo hatramin’ny tanindrazana mihitsy aza ! Marina tokoa izany raha mandinika ny fahavoazan’ireto mpivarotra eny Analakely satria raha haka ny entana lasan’ny kaominina, be ny sazy aloa ary miampy kely io dia hahazo entana vaovao hafa indray. Be, araka izany, no misafidy ny tsy hipoitra eny amin’ny toby fitakiana izany entana izany no sady tsy fantatra intsony ny fahapotehany rehefa mandray azy ny tena. Saingy ity no tena olana : ny kaominina rehefa mamely dia isan’andro vaky izay ary misy amin’ireo mpiasa ao aza no manao fanahy iniana mihitsy manenjika lava ireo izay efa tratrany. Vetivety araka izany dia fotsy ny an-tànana ary poa toy izay ihany koa dia bokan’ny trosa. Tsy gaga araka izany ny maro raha nahery fiteny avy amin’ireo mpivarotra nandritra iny herinandro lasa iny satria tokoa etsy andaniny, tsy misy ny fotodrafitrasa naorina na nohatsaraina mba handraisana azy ireo. Tsy hita araka izany ny tany haleha sy ny tokony hatao kanefa araka ny voalaza etsy ambony, ny ankizy tsy mahalala tsy misy.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre