Vous êtes ici :

Mercredi 24 Avril 2024

ombre

Soarano – Rava ny rindrin’ny Pochard

Nanomboka omaly maraina ny fandravana ny rindrina misy ny tsena monisipalin’ny Pochard etsy Soarano, izay asa tafiditra amin’ny fanalehibeazana ny lalana mampitohy an’Antanimena sy Analakely. Raha izany no izy dia nilefitra ihany izany ny mpivarotra ao amin’ity tsena ity raha toa nilaza hatrizay fa tsy hanaiky velively ny fikitikitihana izany rindrina izany. Mazava tokoa mantsy fa mihalehibe ny lalana  saingy mihakely kosa ny tsena ary tena nanao angoan-tenda mihitsy anefa ireo fikambanana ao amin’ity tsena lehibe iray eto Antananarivo ity fa tsy hilefitra ary hidina an-dalambe raha toa mahasahy mandrodana ny mpikarakara. Nisy mihitsy aza ny filazan-dry zareo ireto fa ny rindrina sy ny tanin’ny orinasa « Madarail », izay amin’ny ilany ankavanana no tokony hakana ny refy iray manontolo ilaina amin’ny fanamboarana fa ny tsena tsy tokony hokitihina. Herinandro vitsivitsy lasa izay, nanome ny ampahan-tany ilaina  ity orinasa ity ary dia voarodana ireo fefy tsara vaotra izay azo lazaina fa endrika iray nanamarika ny taonjato faha-roapolo teto amin’ny Tanànan’Antananarivo sy ny tantaran’ny Lalamby malagasy.

Andrasana araka izany izay mety ho fihetsik’ireo mpivarotra fa ny hita aloha dia niroso tsy nihemotra ny asa ary dia nirodana ilay tamboho be. Ny fanontaniana manikitikitika ihany koa dia ny momba ny fifandaminana vaovao ao anatin’ny tsena ka asa raha mba hisy hanome sombiny amin’ny faritra ivarotana ireo mpivarotra izay tsy voakasik’ity fanamboarana ity. Eo tokoa mantsy no ahitana raha toa mba misy ihany ny fifanomezan-tanana sy ny firaisankina eo amin’ny samy mpivarotra na hisy ireo sahy hijery fotsiny ny fahavoazan’ny hafa.

J.L.R

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre