Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Fanalana mpivarotra – Raikitra ny « intifada » teo Analakely !

Ny atao hoe « intifada »dia ny valy bontana amin’ny alalan’ny tora-bato ataon’ny vahoaka palestiniana an’ireo miaramila israelianina. Mazava fa hery roa tsy mitovy no ampiasaina satria ny an’ny palestinianina dia vato ary ny an-dry zareo israelianina kosa dia basy, bala, tank, helikoptera mandatsaka baomba sy manao tifitra variraraka. Maro araka izany ny maty ho an’iry voalohany, hany ka isan’andro mandevina ihany kanefa ho azy ireo dia ny fampisehoana ny fahatezerana sy ny tsy fanekena ny tsindry hazo lena no zava-dehibe.

Dia toy izay no niseho omaly alahady maraina raha ny zava-nisy tetsy Analakely satria dia namaly ny fandroahana azy amin’ny toerana fivarotany ireo mpivarotra mitrongy vao homana sy ny mitady ny hohaniny isan’andro. Mafy tokoa ny mahazo ireto mpivarotra ireto satria raofin’ny kaominina tsy misy fampilazana ny entana izay nandaniana ny vola kely an-tanana ho an’ny sasany, raha namarotana tanindrazana mihitsy ho an’ny hafa.

Ambony bozaka
Ny tena mahagaga amin’ity raharaha iray ity dia ny fahatsetsenan’ny sofin’ireo mpitantana ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Voalohany aloha dia efa mpitondra teto izy ireto taloha ka tokony hahalala amin’ny antsipirihany mihitsy ny filàna fototry ny vahoaka eto Iarivo, ary isan’izany ny momba ny fitantanana ny tsena. Folo volana izay izy ireo no niverina eo amin’io toerana io indray kanefa na dia biriky roa mifanongoa hanamboarana tsena vaovao na ihany koa hanavaozana sy hanatsarana izay efa misy aza tsy mbola vitan’izy ireo. Toa baikobaiko sy fisehosehoana ivelany fotsiny no betsaka, hany ka tsy mandeha amin’izay laoniny ny tanàna. Farany teo izao dia nolazaina indray fa ho fandaminana vaovao dia manao « badge » ka nakana vola 15 000 ariary tsirairay ireto mpivarotra efa ho aman’alinalina maromaro. Avy eo indray dia navoaka ny didy fa hoe mandehana mivarotra eny ambony bozak’Ambohijatovo. Dia hitanao amin’izay fa tsy misy na dia ariary aza mivoaka amin’ny paosin’ny kaominina na ny mpitantana azy fa ny an’ny vahoaka ihany no tangosana lava izao.
Tsy gaga ary ny rehetra raha raikitra ny tora-bato omaly alahady ary mbola mety ho mafimafy ny fitakiana atsy ho atsy !

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre