Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Mpanakorontana saim-bahoaka

Anisany vanim-potoana sarotra indrindra ho an’ny fiainan’ny malagasy ny fidiran’ny mpianatra toy izao. Miakatra be ny fandaniam-bola noho ny saram-pisoratana anarana sy ny saram-pianarana ary ny fividianana ireo kojakojan’ny mpianatra. Miampy ny sakafo sy saran-dàlana ary tohan’aina izany rehetra izany. Ankoatra ireo dia miova ihany koa ny praograman’ny isan-tokantrano amin’ny fitsenana sy fanaterana mpianatra. Raha atao bango tokana dia manahiran-tsaina ny ray aman-dreny ary tena mahavaky loha ny vanim-potoana toy izao. Ao anatin’izany rehetra izany anefa dia mipoitra avokoa ireo mpanararaotra mitady hanao tsindrio fa lavo ny sarambabem-bahoaka efa tena mitrongy vao homana. Tampotampoka eo dia milaza ny mpanao fitaterana an-tanàn-dehibe fa hanondrotra saran-dalàna. Tena ao anatin’ilay fotoana mahasahirana ny vahoaka mihitsy no hanaovany izany. Ny tena mahavariana ny maro dia ny fihetsik’ireo mpitatitra izay miovaova hevitra hatrany. Tsy azo hadinoina mantsy fa efa nifanaraka tamin’ny minisitera mpiahy izy ireo fa tsy hanondrotra saran-dalana raha homen’ny fanjakana ilay vatsy manokana hampihenana ny vesatra amin’ny vidin-tsolika. Talanjona anefa ny rehetra fa mitaky ny hampidinana ny vidin-tsolika indray ireo mpitatitra. Filam-baniny ny azo ilazana izany ary fitiavan-tena. Tsotra ny antony : tsy mampidina ny saram-pitaterana ireo mpitatitra tamin’ny vidin-tsolika nidina. Vao miakatra anefa ny solika dia io indray ry zareo fa mila vaniny sy mitady hanakorontana ny fiainam-bahoaka mihitsy.

Tsy azo hadinoiana anefa fa tsy mbola nitana ny teny fampanantenana hanatsarana ny kalitaon’ny fitaterana eto an-drenivohitra ireo kaoperativa. Tsiahivina etoana fa tamin’ny fotoana nampiakarana ny saran-dalana farany dia nilokaloka izy ireo fa hampiditra fiara vaovao sy manara-penitra nefa tsy hita akory izany hatramin’izao. Toa teny imolotra fotsiny ary nodiana tsy fantatra aty aoriana. Mbola betsaka ireo fiara tsy mendrika ny handeha intsony amin’izao fotoana izao. Ny sasany tsy misy varavaram-pitaratra, ny hafa mipitika eny am-pandehanana ny varavarana, tsy resahina intsony ireo mampiasa hazokely sy seza rovitra… Ny tsy fahalalam-pomba sy ny toetra jiolahim-boton’ny saofera sy resevera moa tsy lazaina intsony. Manampy trotraka ireo ny tsy fanajana ny lalana tokony halehan’ny zotra tsirairay. Misy mihodina antenantenan-dalana, misy tsy mety mandray olona eny amin’ny fiantsonana, ny sasany mijanona elabe fa tsy manaja ilay 5 minitra tokony hijanonana. Santionany vitsy ireo fa marobe tsy tambo isaina ny tsy fanarahan-dalàna sy ny tsy fanaraham-penitra ataon’ny mpitatitra eto an-drenivohitra. Tsy misy mihitsy ny fandraisana andraikitra hanatsarana ny asa fitaterana fa ny hampitomboana ny vola miditra any am-paosiny no mahamaika azy ireo. Lasa fahoriana ho an’ny vahoaka ny mandray ireny taksibe ireny satria sady miala vola ny tena no mbola miaritra ny toetra ratsin’ny saofera sy resevera ary ihany koa mihafihafy noho ny hateren’ny toerana. Ambonin’ireo ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana ao anaty fiara noho ny asan’ny mpangarom-paosy sy mpanendaka izay fantatry ny resevera tsara fa hodiany fanina. Mila hatsarain’ny mpitatitra izany lesoka rehetra izay, izay izy ireo vao afaka miteny ara-drariny ny fitakiana hanondrotra saran-dalana. Tsy azon’izy ireo hadinoina mantsy fa asa matihanina no ataony ary varotra ka mitaky kalitao tsara ny mpanjifa. Arakara-tarehy voa-javatra hoy ny fitenenana ary ny ratsy tsy tokony ho lafo. Efa fitiavan-tena kosa raha toa ka hanondrotra saran-dalana lava izao nefa ny kalitaon’ny asa sy ny fiara tsy mitsaha-mitontongana. Tsy mipetraka mihitsy ny asa matihanina ka izay no mampikorosy fahana ny fitaterana eto an-drenivohitra. Ireo tena matihanina amin’ity sehatra ity mantsy ka afaka mampiroborobo sy manatsara ny asany dia lasa mitodika amin’ny fitaterana zotra nasionaly.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre