Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Andranomanelatra – Navilin’ny jiolahy lalana ny taksiborosy

Vaky kodiarana dia nijanona kinanjo notafihan’ny jiolahy ny taksiborosy iray tany Ambohimpihaonana distrikan’Ambatolampy. Noteren’ireo mpanafika niditra tany amin’ny lalana mankany Andranomanelatra io fiara io avy eo ka tany no nendahin’izy ireo ny mpandeha. Vola 1 tapitrisa latsaka kely miampy firavaka sy fitaovana elektronika maro no very tamin’izany. Efa mandeha ny fanadihadiana ary misy tamin’ireo lasibatra no miahiahy ny mpamily ho tao ambadiky ny raharaha. Raha tsy nijanona teo mantsy ilay fiara tsy voatafika toy izao. Ny zandary irery ihany anefa no afaka mamaritra mazava ny tena ao amabadik’ity fanafihana ity. Tsy mbola nisy tratra ireo mpanafika na dia efa manao izay ho afany amin’ny fikarohana aza ny mpitandro filaminana. Fetsy rahateo ireo olon-dratsy satria nentiny tany ankodahoda ireo lasibatra mba hanamorana ny fitsoahana. Tsy mandry mihitsy ny tany any amin’ny faritra Vakinankaratra tato ho ato satria manomboka miseho lany avokoa ny karazana heloka bevava rehetra. Miainga amin’ny halabotry sy vaky trano izany ary mitohy amin’ny fanafihan-dahalo sy ny fanakanana fiara. Tsy misy mihevitra ny hisian’ny fifandraisana amin’ny raharaha politika kosa anefa fa toy ny tsy fandriam-pahalemana tsotra ihany no mitranga.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre