Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Miverina ny lojikan’ny fifandonana

Nafampana  iny herinandro lasa iny raha ny toe-draharaha politika no jerena. Nahery vaika mantsy ny fanehoan-kevitra sy ny fanehoan-kery na avy amin’ny mpanohitra na ho an’ny mpitondra. Niavaka tamin’izany ny fakana an-keriny ilay lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny fikambanamben’ny mpanohitra ao Fianarantsoa. Tsy nisy fanazavana ofisialy mihitsy mikasika ity raharaha ity satria na ireo olona naka an-keriny aza dia tsy fantatra ho izy marina ary inona no anton’izany. Nitohy tamin’ny fisamborana ny mpitarika hetsika teny Soamahamanina ihany koa ny toe-draharaha ary niafara tamin’ny fisavana ny tranon’ny mpanao politika avy eo anivon’ny Mapar. Ny sabotsy tolakandro lasa teo izao dia nanaitra ny mpandalo teny Mahamasina ny nahita mpitandro filaminana an-jatony teo anoloan’ny vavahadin’ny kianja. Raha ny fijery azy dia toy ny tany miady eto Madagasikara. Toy izany ihany koa ny teny Analakely manoloana ny araben’ny fahaleovantena izay nahitana mpitandro filaminana mirongo fiadiana vonona hiatrika izay mety hitranga.

Ireo rehetra ireo dia midika fa misy mampanahy ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika. Hatreto anefa dia mijanona ho fifampihantsiana ankolaka sy fanehoan-kery fotsiny ny zava-misy. Andaniny ny mpanohitra tsy mifidy vava havoaka, ary tsy mitsitsy fitenenana fa tsy maintsy atsahatra amin’ny asany izao fitondrana mijoro izao. Toa te hilaza mazava izy ireo fa vonona ny hanongana amin’ny fomba rehetra. Ankilany kosa ny mpitondra dia efa manomboka mampiaka-peo ihany koa ary milaza fa tsy misy fitondrana mitsahatra izany eo. Eo rahateo ny mpitandro filaminana hiaro ny andrim-panjakana amin’ny alalan’ny fandravana hetsika sy fisavana trano ary fisamborana ireo heverina ho mpanakorontana.

Ny vy tsy mikitrana irery, ka na avy amin’ny andaniny na ny ankilany dia samy mandrirotra ny firenena hiroso amin’ny lojikan’ny fifandonana. Ny tena loza anefa dia ry zareo samy mpitarika tsy sahy mifandona mivantana fa ny vahoaka no tadiavina haroso hatao sorona. Raha tena sahy ireo mpitarika dia afaka mifanao fotoana any ambadika any dia mifamaky vava sy mifampitolona hijerena izay tena be sandry sy be mokondoha. Tsy hisy velively anefa izany fa ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana no tadiavin’izy ireo hifamono sy hifandrafy. Efa an’arivony litatra maro raha noraofina sy nafatra ny rà latsaka teto Madagasikara noho ny resaka poitika nefa hatramin’izao ny firenena tsy mbola mety tafarina. Izany hoe tsy tokony hadinon’ireo mpamporisika fa tsy vahaolana ho an’ny firenena ny fandatsahan-drà. Mety mahomby izany amin’ny fitadiavana seza sy ny fiarovana seza saingy kosa tsy mitondra tombontsoa ho an’ny firenena. Mety ho tombony ho an’ny mpanohitra satria manamora sy manafaingana ny fanonganana ny mpitondra  ny misy olona voasambotra sy maratra ary maty mihitsy. Mety ho tombony ho an’ny mpitondra ny fitifirana sy fisamborana ireo mpanao fihetsiketsehana satria matahotra ny vahoaka avy eo ka tsy sahy mikorontana intsony dia milamina ny fitondrana. Tsy hisy fiantraikany ho an’ny fampandrosoana ny firenena anefa izany rehetra izany. Mila mifanatona sy mifampidinika ary mamitram-pihavanana ireo mpanao politika rehetra satria izay ihany no vahaolana hialana amin’ny lojikan’ny ady. Ny vy tsy mikintrana irery ary tsy misy olona manana ny fahamarinana 100% izany eto nefa kosa azo atao tsara ny mifampihaino sy ny mifampidinika. Matoa misy manao fitakiana dia misy zavatra tsy tantiny sy maharary azy ao. Mila henoina sy valiana ny hetahetan’izy ireny mba hahafahany mandray anjara amin’ny asa fampandrosoana. Mora kokoa ny mifampiresaka toy izay mampiasa hery sy mifamaly. Mila ajanona ny lojikan’ny ady sy ny fifandonana mba hisorohana ny risika hidiran’ny firenena amin’ny krizy vaovao indray.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre