Vous êtes ici :

Vendredi 29 Mars 2024

ombre

Ambararatabe – Mampiasa masolavitra ny dahalo rehefa hanafika

Efa maty paika ny fanafihana ary fantatry ny dahalo amin’ny antsipirihany ny fiaim-piainan’ny tanàna hotafihin’izy ireo. Manaporofo izany ny fampiasana masolavitra izay hahafahana mitily mialoha ny zava-mitranga rehetra alohan’ny tena hanaovana ny fanafihana. Tany Ambararatabe, distrikan’i Tsaratanàna dia saron’ny mpitandro filaminana ny toby fieren’ny dahalo rehefa nisy ny fanadihadiana lalina sy ny fisavana natao. Hitan’ny zandary ny toerana fanatobiana ny omby halatra ka nirotsahan’izy ireo tao. Omby miisa 24 no tao ary nahitana masolavitra fampiasan’ny dahalo ihany koa. Tsy nisy tratra kosa ireo malaso ary heverina ho efa nitsoaka mialoha vao nahatazana ny fiavian’ny mpitandro filaminana. Efa noroahina nampidirina am-bala sady arovana ireo omby ireo ary nanaovana antso izay mety ho tompony. Manaporofo ity tranga iray ity fa tsy kisendrasendra ny fanafihan-dahalo fa tena efa misy lamina maty paika sy fiomanana mialoha hatrany. Hatramin’ny toerana hasiana ireo omby halatra mandra-pivarotana azy ireny aza dia efa milamindamina tsara avokoa.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre