Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Mila fandaminana ny tanàna

Anisan’ny tsy afa-bela amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny eto Antananarivo renivohitra na dia maro tsy tambo isaina aza ny tobin’ny mpitandro filaminana eto. Azo lazaina mihitsy fa anisany toerana voalohany maneran-tany tsy mandry fahalemana ny eto. Mijanona ao an-trano misy manafika, mivoaka eo ivelany sy eny an-dalana ary any an-tsena misy manendaka, hatrany anaty fiara fitaterana misy mandroba. Tsy vitan’ireo fa misy ny hala-botry sy mpamaky trano, mpamaky fiara, eny hatramin’ny mpamaky fasana sy mpamaky fiangonana. Sarotra ho an’ny mpitandro filaminana ny hanara-maso izany rehetra izany satria isaka ny iray metatra dia atahorana hisy jiolahy sy mpandroba foana raha vao eto an-drenivohitra. Raha ireo rehetra ireo no jerena dia ny fametrahana ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana sy ny fampandraisana andraikitra ny isam-pokontany hiady amin’ny fanendahana sy ny vaky trano ihany no tena vahaolana hahafahana mamerina indray ny filaminana eto an-drenivohitra. Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny kaominina izay manana fahefana hametraka lamina eny anivon’ny fokontany. Mahagaga anefa fa herintaona mahery taorian’ny nandraisan’ny ben’ny tanàna ny andraikitra dia tsy mbola nisy mihitsy fametrahana io paikady mazava hitandroana ny filaminana eto Antananarivo renivohitra io. Hentitra sy masika ary tsy azo ivazivaziana ny kaominina amin’ny fampiharana ny lalàna ho an’ny mpampiasa fiara sy ny mpivarotra amoron-dalana nefa kosa toa tsy rototra amin’ny resaka fandriam-pahalemana. Tsara ny fandaminana ny tanàna manoloana ny tsy ara-dalàna rehetra nefa kosa tsy azo hadinoina mihitsy fa ny halatra sy ny fanendahana ary ny herisetra no heloka sy tsy fanarahan-dalàna tsy azo ekena voalohany. Io no mampametra-panontaniana ny vahoaka satria tsy raharahian’ny kaominina mihitsy. Raha ny fandinihina azy dia tsy mampidi-bola fa vao mainka aza handaniana vola ny fametrahana fandriam-pahalemana ka izay angamba no tsy maha rototra ireo tompon’andraikitry ny tanàna. Efa manao izay ho afany ny polisim-pirenena amin’ny andraikitra tandrify azy saingy kosa tsy hahavita hametraka olona isaka ny elakelan-trano amin’ny fokontany miisa 192. Izany hoe ny kaominina mihitsy no manana andraikitra hametraka lamina eny anivon’ny fokontany mba hahafahana miady amin’ny olon-dratsy. Efa natao teto an-drenivohitra ny fametrahana vaomieran’ny fandriam-pahalemana taloha ary hita fa nahomby. Mivory sy mifanaraka fotsiny ny isam-pokontany ary manendry tompon’andraikitra iray hitantana ny vaomiera izay ahitana mpikambana vitsivitsy. Ireo no miandraikitra ny fanaraha-maso izay olona mivezivezy ary manao ny fanentanana sy ny fandaminana rehetra raha toa ka misy ny trangana fanendahana sy ny vaky trano. Mbola mitombina hatrany ilay fitenenana hoe ny akanga maro tsy vakin’amboa ary ny mita-be tsy lanin’ny mamba ka raha misy ny lamina maty paika dia mazoto mandray anjara sy andraikitra amin’ny fiarovana ny tanànany ny fokonolona isam-pokontany. Hita ihany izany amin’ny faritra vitsy eto an-drenivohitra izay tsy dia ahitana asa fanendahana loatra satria mahay mivondrona sy miray hina ny mponina, miady sy misambotra ary mamono mahafaty izay mpanendaka tratra. Mila ataon’ny kaominina laharam-pahamehana amin’izay, noho izany, io resaka fandriam-pahalemana io satria antony iray tena manakana ny asa fampandrosoana haingana sy maharitra tiana hapetraka eto. Tsy mampino ary sarotra eken’ny saina ny fisian’ny mpanendaka amin’ny toerana be olona mivezivezy eto an-drenivohitra eto. Tsy misy sahy mandray andraikitra ny mpandalo fa mitazam-potsiny rehefa misy voaendaka. Tsy mahagaga izany satria tsy misy ny lamina sy ny fepetra mipetraka mazava hanentanana ny olona hifampiaro. Ny tena loza aza dia ireo manenjika sy misambotra indray no mahita raharaha avy eo. Na izy ireny maratra sy matin’ireo mpanendaka, na bedin’ny polisy satria nolazaina fa nikasi-tanana ireo jiolahy. Tsy mahagaga raha miraviravy tanana ny vahoaka ka manaiky lembenana sy mandohalika manoloana ny tsy fandriam-pahalemana.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre