Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Mananjary – Trano 44 nisy nandoro

Lavenona sisa no niafaran’ny tanàna kely iray any Mananjary fa may avokoa ny trano rehetra. Vokatr’izany, fianakaviana 150 no very fananana sy tsy manan-kialofana tanteraka. Araka izany, 44 ny fitambaran’ny trano may tamin’io fotoana io. Heverin’ny mponina fa niniana nodorana mihitsy izy ireo satria araka ny fantatra dia trano iray tsy misy mipetraka no niandohan’ny afo. Hatramin’ny trano fitehirizam-bokatra aza may avokoa. Miisa 10 ireo fitehirizam-bokatra ireo ary levon’ny afo tanteraka. Izany hoe tsy manan-kohanina intsony ny mponina rehetra. Fantatra ihany koa fa efa fanindroany izao tany an-toerana no nisy haintrano tamin’ity volana septambra ity. Manao antso avo amin’ny tompon’andraiki-panjakana ny mponina noho izany mba hitondra fanampiana sy famonjena maika fa tena latsaka an-katerana tanteraka. Mahalasa saina ny maro mihitsy ity haintrano sy doro ala goavana nisesisesy tato ho ato ity. Toa misy ifandraisany avokoa nefa amin’ny toerana samihafa izay tsy misy fifandraisany mihitsy izay mitranga. Ny azo antoka dia antony roa no mahatonga ireny firehetana ireny. Voalohany dia ny tsy fitandremana ary faharoa kosa ny sotasota. Efa misy ihany ny fanentanana ataon’ny Bngrc sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana mba hisorohana ny loza ateraky ny afo saingy toa misy karazan’olona tsy te hahalala izany mihitsy.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre