Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

An’ny vahiny ny harena

Nazava ny tenin’ny tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany fa tsy manana ny fahafahana mitrandraka ny harena voajanahary eto Madagsikara ny malagasy. Io antony io, hoy izy no anomezana ny vahiny ny fitrandrahana. Na tsy nitsotra mivantana aza io tompon’andraikitra io dia toa te hanamarina sy hanamafy fa efa hena ampelatanan-tsaka ny fanomezan-dalana ny sinoa hitrandraka volamena sy vato sarobidy amin’ny tany maro eto Madagasikara ka tsy misy azo atao intsony. Nifanindran-dalana tamin’io fanazavana io ihany koa ny fanambaran’ny ambasadaoro sinoa monina sy miasa eto Madagasikara izay niaro mafy ireo mpandraharaha avy any aminy. Nambarany fa efa miezaka ny hanara-dalàna sy ny fepetra takiana ireo mpitrandraka sinoa rehetra. Raha aravina ireo fanambarana roa ireo dia hita mibaribary fa nisy ny fifanatonana sy ny fifampiresahana teo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny masoivoho sinoa. Tsy miafina ihany koa  ny mety ho hevitra tapaka tamin’izany dia ny tsy maintsy hanohizana ireo fitrandrahana efa nahazoana alalana.

Niala maina indray izany ny vahoaka malagasy sy ny fitiavany tanindrazana satria ny vahiny no nomena rariny. Raha amin’ny saina tsy miangatra dia tena ekena fa tsy manana ny fahafahana mitrandraka ny hareny ny malagasy saingy kosa tsy midika izany fa tsy maintsy homena ny vahiny ny volamena sy ny vatosoa. An’ny malagasy ireny harena an-kibon’ny tany ireny ary ny vahoaka malagasy no nomen’Andriamanitra izany fa tsy ny vahiny. Raha tsy afaka mitrandraka isika ankehitriny dia tsy ho lo na simba ho azy ireo harena ireo fa afaka hajanona ao ho trandrahin’ny taranaka any aoriana any. Miankin-doha betsaka amin’ny fanazavana ara-tekinika sy ny fanarahan-dalàna ilay tompon’andraikitry ny minisitera saingy kosa tsy mijery ny manjo ny vahoaka. Io fomba fijery teknisianina io ihany anefa no anisan’ ny olana tsy mampandroso ity firenena ity. Tsy nianatra politika sy tekinika ny vahoaka ka hahatakatra izay fanazavana ara-tsiantifika sy ara-toekarena tsy hihinanan-kanina rehetra izao. Ny fantatry ny malagasy dia sahirana izy ireo ary mahantra sy fadiranovana ny maro an’isa amin’ny mponina. Tsy vahaolana mihitsy noho izany ny fanazavana sy teny tsy valiana voizina amin’ny fiantsoana mpanao gazety sy fitetezana haino aman-jery. Raha tena mahay ny teknisianin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany dia mila midina mivantana sy mifandresy lahatra amin’ny vahoaka eny ifotony toy ny eny Soamahamanina fa tsy mitabataba eny ambony birao fotsiny.

Tsy misy iadian-kevitra mantsy ny fanazavana ara-tekinika ary tsy misy olona afaka handà ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tany amin’ny asa fampandrosoana ny firenena saingy kosa mila vokatra azo tsapain-tanana izany. Ohatra iray izao ny mahazo an’Ambatovy amin’izao fotoana izao. Tsy hita izay tena asa fampandrosoana mipetraka ho an’ny tanànan’i Moramanga sy ny manodidina fa toa ny teo ihany no teo. Ny manaitra ny maro aza dia mitaraina io orinasa io ankehitriny noho ny fatiantoka manjo azy satria midina be ny vidin’ny vy trandrahany. Manaporofo io fa tsy mbola mitondra asa fampandrosoana ho an’ny firenena ny fanomezana ny vahiny hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany. Tantely afa-drakotra fotsiny no misy hatreto fa tsy hita izay fiantraikany any amin’ny fiainan’ny mponina. Efa ela ihany koa ny nandrenesana fa hanomboka hitrandraka sy hivarotra solika ny ao Tsimiroro nefa toa Ambatobevohoka izany hatreto. Hatramin’ny taona 2005 no nahenoana fa hisy ny vokatra afaka 3 volana, dia toy izany hatrany isan-taona. Mandrak’androany tsy hita izay solitany nivoaka avy tao Tsimiroro fa tatitra sy resa-be no betsaka. Tsy mahagaga raha sarotiny amin’ny volamena ao Soamahamanina sy ny any amin’ny toeran-kafa izay trandrahin’ny vahiny ny malagasy. Tsy misy fiantraikany ho an’ny firenena mihitsy ireny rehetra ireny nefa azo antoka fa matoa ny vahiny mampiasa volabe eto dia misy tombony ho azy ao. Zarazaraina amin’ny vahiny tokoa ny harem-pirenena.

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre