Vous êtes ici :

Vendredi 29 Mars 2024

ombre

Tsaramasoandro – Andolofotsy – Fandrahonana ben’ny tanàna

Ny 26 Septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 04 ora hariva dia norahonan’ny lehilahy iray izay monina ao Tsaramasoandro, Kaominina ambanivohitr’Andolofotsy ny ben’ny tanàna. Sady  nanompa no nilaza fa hampiditra dahalo hanakorontana ny tanàna iray manontolo izy. Avy hatrany dia nampitonian’ny zandary nanatri-maso ny fon’ity farany ka nalaminy ny resaka, kanefa noho ny tsy faneken’ity lehilahy ity ny fandaminana dia voatery nandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana.  Tao anatin’ny fifanjevoana anefa dia voakitika tsy nahy ny basin’ilay zandary ka nipoaka ary nahavoa ny tongotr’ilay mpanakorontana. Mbola afaka nandositra  ihany anefa izy taorian’izany. Nisy vavolombelona nanatrika moa izany trangan-javatra izany, izay tsy iza fa ny rahalahiny ihany saingy nitazam-potsiny izy fa tsy mba nanampy akory ary nitsoaka niaraka taminy. Nisy ny fepetra noraisina manoloana izany ka avy hatrany dia nandray fepetra ny mpitandro filaminana ary nanenjika azy roalahy. Tratra teny am-pitsoahana izy ireo ka notazomina avy hatrany any amin’ny polisy, ilay naratra kosa nentina notsaboina tany amin’ny Csb II  izay akaiky indrindra. Ny polisy any Andolofotsy no misahana ny famotorana ny raharaha.

Anna Ra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre