Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Mangoro – Jiolahy 3 matin’ny fokonolona

Jiolahy miisa 3 no indray matin’ny fitsaram-bahoaka tany Anjanjana Mangoro, omaly maraina. Raha ny fantatra dia avy nanafika mpivarotra iray tao Ankarefo Moramanga izy ireo ary tena ampandosirana no nifanehitra tamin’ny andrimasom-pokonolona. Vao nosakanana sy nanontaniana hosavaina anefa ireo olon-dratsy avy dia nandositra tany amin’ny lalamby ka raikitra ny fifanenjehana. Tsy lasa 150 metatra akory anefa dia voasambotry ny fokonolona ny roalahy. Ny iray fahatelo kosa efa lasa lavidavitra vao tratra. Tsy nanaiky nolembenana anefa ireo jiolahy fa namaly ary nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Naratra mafy voatsatok’antsy tamin’izany ny lehilahy iray avy amin’ny fokonolona ka io no tena nahatezitra ireto farany. Tsy nananan’izy ireo antra fa nanamparany ny hasosorany ireo jiolahy 3 ka maty avokoa. Ilay lehilahy naratra kosa efa nalefa notsaboina any amin’ny hopitalin’i Moramanga. Miisa 5 ireo jiolahy ary ny 2 ambiny tafaporitsaka ka tsy hita izay nanjavonan’izy ireo.

Fantatra fa afakomaly alina tamin’ny tapimandry ireo mpangalatra ireo no nanafika ilay toeram-pivarotana. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola maty nandritra ny tontolo andro sy ny entam-barotra hafa ary ny fahitalavitra an’ny tompon-trano. Nirongo basy sy antsy ireo jiolahy ary nahitana odigasy marobe ihany koa teny amin’izy ireo. Sendra ny nahay azy anefa tamin’ity indray mitoraka ity ka tsy nisy heriny nanoloana ny firaisankinan’ny  fokonolona ireo fitaovam-piadiana sy ody ratsy nampiasain’izy ireo.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre