Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Miasa ho an’ny vahiny

Mihetsiketsika tampoka ny fitondram-panjakana tato ho ato amin’ny fanapenana ny lavadavaka amin’ny lalana rehetra eto an-drenivohitra. “Miasa ho anao ny Fanjakana” hoy ny vakin’ny soratra mipetaka amin’ny takela-by apetraka eny akaikin’ireny lalana tapenana ireny. Hafatra izay milaza fa tena mitsimbina ny vahoaka ny fitondram-panjakana. Rehefa tena jerena anefa dia tsy ho an’ny vahoaka loatra no anamboarana ireny lalana ireny fa ho an’ny vahiny. Tsotra ny antony : efa manantomotra ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia ka manao izay fomba rehetra hanatsarana ny fandraisana ireo vahiny ho avy eto ny fitondram-panjakana. Izay asa atao rehetra eto an-drenivohitra sy ny manodidina an’Ivato iny dia toa mitodika amin’ny fandrasaina ny vahiny avokoa. Amboarina ny lalana vaovao hampitohy an’Ivato sy Tsarasaotra. Rehefa vita io dia tsy azon’iza na iza ampiasaina satria tsy natao ho an’ny malagasy fa natao ho an’ny frankofonia. Rehefa vita ny frankofonia izay vao hisokatra ho an’ny malagasy io lalana io. Misy lalana iray ihany koa nosokafana mampitohy ny Digy sy ny eny amin’ny faritra iva ary tsy hisokatra ihany koa raha tsy amin’ny frankofonia. Ankoatra ireo dia tapenana ny lavaka rehetra eto an-drenivohitra mba handraisana ny frankofonia. Ny tena loza dia ity : ho marobe ny lalana hotapahina tsy azon’ny be sy ny maro mivezivezy mandritra io fihaonan’ny frankofonia io. Ny mpianatra aza moa dia efa namoahana didy mihitsy fa tsy mahazo mianatra mandritra io fihaonana io. Tafiditra tsara amin’ny stratejia hampihenana ny fitohanan’ny fiara koa ka hahafahan’ny vahiny mivezivezy amin’ny andro handraisana ny frankofonia io fampiatoana ny fampianarana io. Izany hoe mila mijanona any an-trano ny malagasy sao manembantsembana ny lalana hivezivezen’ny vahiny. Ireo rehetra ireo no ilazana fa miasa ho an’ny vahiny ny fitondram-panjakana fa tsy miasa ho an’ny vahoaka.

Tsy eo amin’ny resaka fanamboaran-dalana ihany fa hita taratra amin’ny fitandroana ny filaminana ihany koa io fanomezana tombon-dahiny manokana ny vahiny io. Nandritra ny herinandro mahery kely nandraisana ny fihaonan’ny Comesa dia nahitana mpitandro filaminana avokoa ny sampanan-dalana rehetra teto an-drenivohitra, na andro na alina. Teny Ivato sy ny manodidina aza moa dia namoahana fiara mifono vy toy ny any amin’ny tany miady mihitsy. Tsy misy maharatsy izany akory saingy lasa saina ihany ny maro an’isa hoe fa maninona no rehefa mandray vahiny dia mahavita manetsika mpitandro filaminana marobe toy ireny. Ny vahoaka isan’andro mitaraina sy mitalaho noho ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny Nosy sy eto an-drenivohitra nefa tsy misy ny hetsika manokana atao. Na mpitandro filaminana iray aza tsy tazana eny amin’ny lalana amin’ny alina nefa fantatra fa be mpanendaka sy mpamaky trano ny fokontany rehetra eto an-drenivohitra. Iaraha-mahalala fa feno mpanao sinto-mahery eny afovoan’Analakely, Antanimena, Andravoahangy, Ampandrana, Isotry, Mahamasina,… nefa tsy manao hetsika hametrahana mpitandro filaminana hiaro ny vahoaka andro aman’alina eny amin’ireny toerana ireny ny mpitondra. Mahagaga ny zava-misy satria toa rehefa ny vahiny dia misy ny fahafahana manao hetsika manokana. Ohatra iray amin’ireny ihany koa ny zava-nitranga teny Soamahamanina. Ny faritra rehetra anjakan’ny asan-jiolahy sy dahalo nefa ny Fanjakana afaka mandefa mpitandro filaminana hiaro ny fitrandrahan’ny sinoa. Vao nangoron’entana ny sinoa dia lasa koa ireo natao hiaro ny vahoaka. Nisy fanafihana avy eo tany an-toerana nefa tara be vao tonga ny mpitandro filaminana na efa nadio ny rano nitan’ireo jiolahy.

Hafahafa ny zava-misy eto amintsika satria toa lasa manaja vahiny be loatra ny fitondrana. Avona sy fanaovana tsinontsinona anefa no mba valim-pitia azon’izy ireo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Filoham-panjakana 20 no nomena fanasana sy nandrasana tamin’ny Comesa nefa tokana monja no mba namaly ny fanasana. Mila mandinika ihany ny mpitondra malagasy!

 

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre