Vous êtes ici :

Vendredi 29 Mars 2024

ombre

Certificat de Nationalité – Mifidifidy olona ireo tompon’andraikitra

Toy ny tongo-bakivaky ka sady maharary no maha menatra. Tsy vitsy izao ny malagasy rehefa mikarakara taratasy hivoahana any ivelany no tsy maintsy manao fangatahana fanamarinam-piaviana na irony “certificat de Nationalité” irony.  Maro amin’ ireo mpangataka ihany koa no tsy mahazo izany noho ny volon-kodiny. Indrindra fa ireny “metis” na misy rà vahiny ireny. Rehefa somary mazava hoditra ianao na koa somary mainty, indrindra fa rehefa somary kely maso na toy ny karana. Efa tsy menatra mihitsy ireo tompon’andraikim-panjakana mpanome izany fanamarinam-piaviana izany no miteny fa “ Ny endrika sy ny bika ihany no jerenay dia fantatray hoe ity olona ity gasy na tsia”. Ary efa tsy mijery ny lalàna intsony tokoa izy ireo amin’izany. Raha ny tokony ho izy manko dia mitondra ny fanamarinam-pahaterahana ny ray sy reny dia ampy. Nefa dia izany amin’izao no zava-miseho eny amin’ireny biraom-panjakana ireny. Sahirana tokoa vao mahazo indrindra fa rehefa tsy misy anarana gasy ny anaranao sy ny ray aman-dreninao, toy ireo mpino silamo, na dia  voamarina aza fa gasy ianao araka ny lalàna. Tsy vitsy noho izany ireo diso fanantenana raha nieritreritra fa dia malagasy izy hatramin’izay. Satria tsy ny kara-panondro na ny pasipaoro no manamarina ny maha malagasy anao fa mila fanadihadiana lalina tokoa aloha ny fanomezana anao izany.

Marihina etoana fa na ireo manana reny malagasy aza dia sahirana avokoa. Amin’ny firenena 192 maneran-tany dia 27 ireo mbola tsy mankasitraka ny vehivavy hampita amin’ny zanany ny zom-pireneny avy amin’ny firenen-kafa na ny “nationalité” izany ary anisan’izany isika eto Madagasikara. Afa-tsy hoe ireo teraka ivelan’ny fanambadiana ara-panjakana. Misy aza moa ireo teraka teto nefa tonga amin’ny fahanterana sy ny fahafatesana ihany fa tsy mahazo izany maha malagasy azy izany mihitsy fa dia mandoa  “ droit de séjour” 800 euros isaka ny roa taona. Raha tsy manam-bola dia miaina toy irony vahiny mpiditra antsokosoka na “Clandestin” irony na malagasy aza. Ireo karana sy sinoa izay efa tsy mahafantatra intsony  na ny tany niavian’ny razam-beny moa no tena maro voan’izany eny fa na ireo manana volon-koditra mainty ihany koa aza dia sahirana na amin’ny fitadiavana asa aza dia sahirana na dia  hanao mpamily fiara karetsaka fotsiny aza.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre