Vous êtes ici :

Mardi 23 Avril 2024

ombre

Ambohitrimanjaka – Zazavavikely 8 taona, novetavetaina avy eo novonoina

Ankehitriny dia mirongatra indray amin’izao fotoana ny fanolanan-jaza, raha somary nangina izany tato ho ato. Vao andro vitsivitsy no namoaka vaovao mahakasina fanolanana mahatsiravina izahay eto amin’ny gazety dia izao sahady fa misy tranga hafa indray, ary miha mahery vaika sy mifono habibiana hatrany ny fitrangan’izany. Raha vehivavy 14 taona no niharan’izany tamin’ilay lahatsoratra teo aloha dia zazavavikely vao 8 taona monja indray no maty voaolana omaly. Tao Ampangambe Ambohitrimanjaka no nitrangan’ity loza mahatsiravina ity.

Araka ny vaovao azo dia olona sendra nandalo vao maraina teny an-toerana no nahita ny fatin’ity zazavavy manodidina ny 8 taona ity. Tsy sahy nikitika ilay razana anefa izy  ka nandeha niantso ny fokonolona sy ny manam-pahefana ary teo vao nihazakazaka nijery ny rehetra. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso dia ny alina no nanatanterahan’ireo tsy mataho-tody ny asa ratsiny. Rehefa natao noho izany ny fizahana ny razana dia hita fa niharan’ny fanolanana tokoa ity zazavavy ity ary nahitana faritra misy ratra maromaro teo amin’ny vatany. Voaporofo tamin’izany fa tsy vitan’ny niharan’ny habibiana ara-nofy fotsiny ilay zazavavy fa mbola notaperiny ihany koa ny ainy, ary tamin’ny fomba mahatsiravina no nanatanterahany izany rehefa vita ny filàn-dratsiny. Raha ny voalazan’ireo mpitandro filaminana nizaha ny razana dia akanjo tohitena no nanaovany ary efa tsy teny amin’ilay razana intsony ny atin’akanjony. Tsy fantatra araka izany izay nahavanon-doza ary misokatra ny fanadihadiana. Raha ny tombana natao dia mety ankizy mipetraka eny amin’ny manodidina ihany ity niharan-doza ity ary mbola eo ampitadiavana azy ny ray aman-dreniny amin’izao fotoana izao.  Ankoatra izany dia toerana maizin-dava iny Ampangambe Ambohitrimanjaka iny noho ny tsy fisian’ny pôtôn-jiro. Mora amin’ireo mpanao ratsy noho izany ny manendaka na ny manolana ny olona izay tratra alina. Raha ny voalazan’ireo mponina eny dia faritra mena ihany koa iny toerana iny, indrindra fa manomboka amin’ny 9 ora alina.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre