Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Vahoaka voazioga !

Hatramin’izao tsy mety miverina amin’ny laoniny tanteraka ny fiainan’ny mponin’i Soamahamanina. Na dia nangoron’entana aza mantsy ilay orinasa mpanao fitrandrahana volamena dia tsy mbola eny am-pelatanany ny taratasy fahazoan-dalana hitrandraka. Izany hoe afaka miverina amin’ny fotoana mahamety azy ity orinasa ity. Miahiahy be ihany ny mponina noho izany satria na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy mbola hisy ny disadisa amin’ity resaka fitrandrahana volamena ao Soamahamanina izay lavin’ny vahoaka ity. Io antony io no nahatonga ny sehatra iombonan’ny fananan-tany (Sif) handray andraikitra ka nilaza ny hanao fangatahana ny hanafoanana tanteraka ilay fahazoan-dalana nomena ny orinasa sinoa hitrandraka volamen’ny malagasy. Raha toa mantsy ka foana io fahazoan-dalana nomen’ny fanjakana io dia azo antoka fa tsy hiverina intsony ireo mpitrandraka. Andrasan’ny maro rahateo izay fiovana hitranga taorian’ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony sy tompon’andraikitra maro teo anivon’ny minisiteran’ny Angovo. Antony roa samihafa ary tena mifanipaka, no antony nanaovan’ny fanjakana ireny fanovana goavana tao amin’ny minisiteran’ny Angovo ireny. Na ireo tompon’andraikitra vaovao nomena baiko hanara-maso sy hanafoana ireo fahazoan-dalana hitrandraka efa nomena ny vahiny nefa mampiteraka disadisam-piarahamonina, na izy ireo nomena toromarika hanao izay hahatanteraka ireo fitrandrahana rehetra. Mahagaga ihany mantsy raha ny zava-misy no jerena satria araka ny kabarin’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina farany teo tamin’ny fivorian’ny Comesa izay natao teny Ivato dia notsoriny mazava fa tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny praogramam-pampandrosoana napetrany ny fitrandrahana ny harena voajanahary eto Madagasikara. Mazava ho azy fa ny harena an-kibon’ny tany no tiany nolazaina tamin’izany. Midika io fa vao mainka ny fanjakana mety hanampy ny isan’ireo fahazoan-dalana hitrandraka nomena ny vahiny. Ny mpitondra rahateo efa matetika no miteny fa tsy maintsy trandrahina ny harena nefa ny malagasy tsy manana ny vola sy fitaovana ary tekinika hanatanterahana izany ka tsy maintsy miantso ireo orinasa vahiny efa be traikefa sy mpanam-bola.

Raha ireo rehetra ireo no jerena dia mbola tsy anio na rahampitso no hivahan’ity resaka ady ifanaovan’ny fokonolona sy ny vahoaka ifotony amin’ny mpitrandraka vahiny ity. Ny raharaha Soamahamanina mantsy tsy mbola mivaha akory dia efa miseho lany sahady ny savorovoro any an-kafa. Anisan’izany, ohatra, ny eny Ambohimiandra Anjeva, ny any Manakara any, ny any Ambatofinandrahana sy Ambositra, Tsarazaza ao anatin’ny distrika’i Fandriana…Lavabe ny lisitra raha hotanisaina saingy misy zavatra mampitovy azy dia ny tsy faneken’ny malagasy ny fanomezana ny tanindrazana hotrandrahin’ny vahiny. “Tsy ny sinoa no halanay fa ny fanimbana ny tanindrazanay no tsy azo ekena” hoy ny solontenan’ny mponin’i Soamahamanina ny alarobia lasa teo. Nentiny io fanazavana io mba hilazana fa tsy sanatria mamboly ady sy fankahalana vahiny ny malagasy fa kosa saro-piaro amin’ny lova navelan’ny razana. Matetika mantsy dia tsy hita taratra akory izay asa fampandrosoana sy tombontsoa nentin’ireny orinasa vahiny maka ny harem-pirenen’ny malagasy ireny. Lavaka be sy fahasimban’ny tontolo iainana no avelan’izy ireo rehefa azony avokoa izay nilainy tao ambanin’ny tany. Io antony io no tena maha-saro-piaro ny vahoaka satria handova lavaka sy fahasimbana ny taranaka any aoriana. Fomba fisehon’ny tena fitiavan-tanindrazana ireny hetsika ataon’ny mponina ireny nefa dia fisamborana sy fanagadrana no setriny. Hatramin’izao dia mbola misy amin’ireo mponin’i Soamahamanina no migadra eny Antanimora nefa tsy mbola meloka eo anoloan’ny fitsarana akory izy ireo. Mitaky ny hamoahana azy ireo ny mponina ary mampitandrina fa hanao hetsika indray raha toa ka tsy homena fahafahana ny namany. Dia hiverina amin’ny lojikan’ny ady indray ve izany sanatria ny ao Soamahamaina? Azo sorohina amin’ny alalan’ny fifanatonana sy ny fifampiresahana anefa izany. Manana fahefana hamotsotra ireo olona nogadraina ny Fanjakana ary manana ny fahefana feno ihany koa hanafoanana ny fahazoan-dalana nomena ny sinoa dia milamina io raharaha io.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre