Vous êtes ici :

Mercredi 24 Avril 2024

ombre

Imerinafovoany – Namono tena rangahy rehefa avy nahafaty ny vadiny

Tena mampikorontana ny mpifankatia efa hatramin’izay ny resaka hasarotam-piaro ary na efa tonga any amin’ny sehatry ny fanambadiana aza dia tsy mety afaka izany. Vao mainka aza mitombo ary fototra mampisaraka ireo mpivady hatrany izy io ary miteraka ady tsy vita mihitsy aza izany. Indraindray anefa dia tafahoatra izay hatezerana izay ary tonga hatrany amin’ny fikasihan-tanana mihitsy izany. Mahakasika izay resaka izay indrindra dia fahasarotam-piaro diso tafahoatra no nitera-doza tao Imerinafovoany, ao anatin’ny Kaominina Talatamaty ny alarobia antoandro lasa teo. Raim-pianakaviana iray no nahavita nanindrona antsy ka nahafaty ny vady andefimandriny tamin’ny antsy. Tsy vitan’izany fa namono tena koa rangahy rehefa avy nahavanon-doza.

Tany ho any amin’ny 12 ora antoandro tany no nitranga ity loza ity. Izy roa irery no tao an-trano tamin’io fotoana io ka rehefa avy nisakafo izy ireo dia  naneno tampoka anefa ny findain-dramatoa. Nisitaka teny amin’ny sisin-trano anefa ramatoa nandray io antso io ary teo no nanomboka nanana saina hafa ity raim-pianakaviana. Tezitra noho izany ity farany ary nitabataba an-dramatoa vadiny avy hatrany ka dia vaky ny ady. Ramatoa koa moa tsy nanaiky lembenana ka dia nivoaka avokoa ny teny tsy ambina rehetra, eny hatramin’ny teny maloto. Tsy nahatana ny hatezerany intsony rangahy ary avy hatrany dia namelaka ny vadiny. Ity farany anefa tsy nanaiky diso mihitsy fa namaly hatrany ka teo no nandraisan-drangahy antsy maranitra. Nolerany teo amin’ny tendam-badiny izany ary dia nijininiaka ny rà ary potraka tamin’ny tany teo noho eo ihany ramatoa ka maty. Tsy nahatanty nahita an’io ilay rangahy ka notrobarany tamin’ilay antsy ihany koa ny tendany ary nitsirara teo amin’ny tany nanaraka am-badiny koa izy.

Antsasak’ora taorian’ny nitrangan’io loza io no sendra nandalo tao an-tokantranon’izy mivady ny anadahin’ilay ramatoa handeha haka zavatra. Teo no nahitany faty roa nihosin-drà nitsirara tamin’ny tany ka avy hatrany ity farany dia nandeha nampandre ny fokonolona sy ny fianakaviana. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpitandro filaminana nijery ny zava-misy ary teo no nahalalana fa famonoana olona sy famonoan-tena no nitranga tao. Mampalahelo tokoa ity tranga ity satria araka ny voalazan’ireo mpiara-monina dia mpivady vao nanorin-tokantrano izy roa ireto ary efa samy nisara-bady avokoa. Vao haingana izy mivady no nanorim-ponenena teny Imerinafoany ary tsy mbola nifampiteraka akory. Hasarotampiaro diso tafahoatra anefa no nahatonga azy ireo tapitr’aina toy izao sahady.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre