Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Asan-dahalo – Omby 125 very tao anatin’ny 3 andro

Miaina ao anatin’ny tebiteby ankehitriny ny vahoaka Malagasy noho ny asan-dahalo miseho etsy sy eroa. Raha ny vaovao voaangona dia mahatratra 125 ny isan’ny omby nangalarin’ny dahalo tao anatin’ny 3 andro monja. Dahalo miisa 9 mitondra basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika no nangalatra omby miisa 50 ny 15 oktobra lasa teo tamin’ny 4 ora tolakandro tany amin’ny fokontany Ankiranomena  kaominina sy distrika Morafenobe. Nisy ny fifandonana tamin’ny zandary ary voatifitra tamin’izany ny dahalo 2. Afa-nandositra ihany anefa izy ireo ary tsy nisy voasambotra. Omby miisa 41 no tafaverina tamin’ny tompony, ny ambiny kosa efa novonoin’ireo dahalo. Ny 16 oktobra kosa dia omby miisa 20 no azon’ireo dahalo tao amin’ny kaominina ambanivohitry Malaimbandy tamin’ny misasakalina. Nampandre ireo zandary tao amin’ny fokontany Anosimbazaha ny fokonolona mba hanao ny fanakanan-dalana niaraka tamin’izy ireo. Teo amin’ny tetezan’i Satena no tratra ny sasany tamin’ireo dahalo ka raikitra ny fifampitifirana. Dahalo 2 no lavo tamin’izany, ary 1 avy amin’ireo mpanara-dia kosa no maty. Mbola tsy tafaverina daholo ireo omby. Noho izany, mbola nitohy ny fanenjehana ireo dahalo sasany tsy mbola tratra. Ireo voasambotra kosa dia notazomina tao amin’ny borigadin’ny zandarimaria ao Malaimbandy.

Fanafihana roa indray koa no nitranga ny 17 oktobra lasa teo. Ny voalohany tao amin’ny fokontany Maromalandy distrikan’i Maevatanana. Ny ben’ny tanana lefitry ny kaominina Ambalanjanakomby no lasibatra tamin’izany. Dahalo 3 no nanafika tao an-tranon’ilay lefitry ny ben’ny tanana ka omby miisa 5 no lasa tamin’izany. Tafaverina noho ny fiaraha-miasan’ny zandary sy ny fokonolona ny omby 2 ary voasambotra ny dahalo iray. Mbola mitohy ny fanarahan-dia ataon’ireo fokonolona. Omby miisa 50 kosa no lasan’ireo dahalo tao Ambatofotsy distrikan’Antsohihy. Mailo anefa ny zandary tany an-toerana ka tsy tafatsoaka lavitra ireo dahalo dia tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo omby  50.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre