Vous êtes ici :

Mardi 23 Avril 2024

ombre

Tsy maintsy misy rà alatsaka

Nanaitra ny maro ary niteraka adihevitra be teny anivon’ny fiarahamonina ilay mpivarotra amoron-dalana namoy ny ainy taorian’ny fifanenjehana tamin’ny polisin’ny tsena. Voalaza fa efa vehivavy lehibe 60 taona izy io izao nandao ny tany tsy fidiny noho ny hetraketraky ny fiainana izao. Raha io taonany io mantsy no jerena  dia tokony efa handeha hisotro ronono izy raha mpiasam-panjakana na mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina. Matoa izy izany nivarotra teny amoron-dalana dia azo sokajiana ho anisan’ny sahirana ara-pivelomana ary mitady ny harapaka isan’andro amin’ny alalan’ny herin’ny tenany manokana. Fidiram-bola no nivoahana ny trano kinanjo fahafatesana no hita. Mety tsy nanao fanahy iniana hahafaty azy ireo polisin’ny tsena nefa kosa manana andraikitra ihany amin’izao loza nitranga izao satria raha nisy fandaminana tsaratsara kokoa dia tsy hisy intsony ny fifanenjehana isaka ny ora iray eny Analakely eo amin’ny mpiasan’ny kaominina sy ny mpivarotra mandehandeha. Rehefa tena jerena tokoa mantsy ny zava-misy dia toa fangalam-piery sy sarin’ady no betsaka. Ny ambiny resaka fanararaotana fotsiny. Malalaka eny Analakely sy ny manodidina dia mamelatra entana mivarotra eo ireo mpivarotra tsy ara-dalàna. Kelikely eo anefa dia indreny mandalo ny fiara miloko manga an’ny kaominina ka mifandrombaka mangoron’entana ireo mpivarotra. Mody mandositra ireto farany rehefa tena akaikikaiky ilay fiara mazda na kamiao ary refeha dify ireo mpiasan’ny kaominina dia miverina indray ny fivarotana dia toa izany hatrany.

Misy ihany anefa ny fiovàna kely indraindray satria raha mihevitra ireo mpivarotra fa handalo fotsiny ry Mangabe dia tsy izay no mitranga fa midina tampoka ireo be sandry eo anivon’ny kaominina ary mibata sy mandroaka izay entana azony eo. Maro ny mpivarotra mitaraina fa misy banga ireny entana ireny rehefa alaina any amin’ny toerana natokana hanaovana izany.

Maro ny mankasitraka ny fanadiovana ny renivohitra manoloana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny endriny rehetra saingy kosa mitaky ny fampiharana asa matotra sy mangarahara ho an’ny rehetra. Maninona no tsy hapetraka miandry tontolo andro eny Analakely sy ny manodidina ireo mpiasan’ny kaominina amin’izay tsy misy mpivarotra intsony eny? Toa lasa kilalao fotsiny ilay mody mandalo dia avy eo miverina eny ihany dia toy izany foana. Tsy mahagaga raha tsy manaiky ny hiala ireo mpivarotra satria fantany fa misy hatrany ny hirika hahafahan’izy ireo manao ny asany. Ny fiainana rahateo mihasarotra sady tsy misy ny asa ka sarotra ny hiala amin’ny foto-pivelomana efa nahazatra hatramin’izay. Efa maro ny fifandonana niafara tamin’ny ratra sy entana very ary fampidirana am-ponja saingy izao niafara tamin’ny fahafatesan’ny renim-pianakaviana tsy manantsiny izao. Olona efa maty fanahy sy fo vato kosa raha tsy hahatsiaro halahelo sy hangoraka nahita sarin’ny vata-mangatsiakan’ilay ramatoabe nivalabatra tamin’ny tranom-patin’ny hopitaly ary mbola hita eo amin’ny tongony ny faritra nofonosina noho ny fianjerana nahazo azy. Taratry ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fisian’ny disadisa eo amin’ny fitantanana ny renivohitra ny toy ireny ary ny tena tsy azon’ny saina ekena dia ny fisian’ny faty olona toy izao. Dia tsy maintsy hisy rà latsaka sy aina afoy foana ve izany ny resaka fandaminana ny fitantanana ny fampandrosoana eto amin’ny firenena sy ny renivohitra. Raha fampandrosoana hamonoana sy handatsahan-drà ny samy malagasy aleo ihany angamba hijanona amin’ny fahantrana toy izao. Tsy azo hadinoina mantsy ilay hoe : “aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”. Atao inona asa fampandrosoana raha toa ka misy malagasy mpiray rà amin’ny tena hatao sorona mba hahatongavana amin’izany. Mila mandinika sy mijery ny mahaolona ireo tompon’andraikitra sy manam-pahefana satria mitady ho lasa asa famoretana no misy fa tsy asa fampandrosoana.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre