Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Epp Ambohipo – Esorina ny Tale, tezitra ireo Ray aman-dreny

Maro ny fanovàna kasain’ny Ministeran’ny fanabeazana hatao hampiakarana ny fahaizan’ny zaza Malagasy, na eo amin’ny fomba fampianarana izany na koa amin’ireo mpanabe sy tompon’andraikitra maro eny anivon’ny sekoly. Efa betsaka ireo talen-tsekoly nosoloina tato anatin’ny taona vitsy izay raha tsy hampahatsiahy ny fanalana ny provizera ny lisea André Resampa fotsiny. Hosoloana toa izany koa ny talen’ny sekoly ambaratonga voalohany fototra na Epp ao Ambohipo amin’izao, tsy manaiky izany fanapahan-kevitra izany anefa ireo ray aman-drenin’ny mpianatra eny an-toerana ka nanapa-kevitra ny hanao fitokonana. Tato anatin’ny herintaona niasany mantsy izay dia hitan’ireo ray aman-dreny fa betsaka tokoa ny fiovana, ny mpampianatra voara-maso tsara ka manantanteraka ny asany amin’ny tokony ho izy, ny ankizy mahazo fanabeazana sy voakarakara amin’ny lafiny rehetra, ny toeram-pianarana lasa madio sy milamina, niakatra ny isan’ny mpianatra eny an-tsekoly satria nidina isan-tokatrano mihitsy ity tale ity niresaka sy nandresy lahatra ireo mponina handefa ny zanany an-tsekoly ary matetika aza dia mamoaka am-paosy mihitsy izy hanampiana ireo izay tena sahirana. Izy ihany koa no mikarakara ny antontan-taratasy ho an’ireo tsy manana kopia nahaterahana sns. Tafiakatra 80% ny taham-pahafahana fanadinana Cepe tamin’iny taona lasa iny ary natao izay nezahany ny nahatafiditra ireo izay afaka tao amin’ny Ceg Ambohipo ihany. Naharay didy famindran-toerana anefa ity tale ity amin’ny maha mpiasam-panjakana azy raha ny nambaran’ny solontenan’ny Cisco tonga teny an-toerana. Nanararaotra izany fahatongavan’ny tompon’andraikitra izany ireo mpampianatra ka nitaraina. Arivo mahery mantsy ny mpianatra ao nefa 24 fotsiny ny isan’ny mpampianatra. Efa tonga tany an-toerana koa ilay mpisolo toerana fa nosakanan’ireo ray aman-dreny ny famindram-pahefana ka tsy tanteraka ny andron’ny alatsinainy teo izany. Ity farany moa dia niangavy fitoniana satria tsy izy no nanapa-kevitra fa mpanantateraka fotsiny ihany.

 Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre