Vous êtes ici :

Mardi 23 Avril 2024

ombre

Ffkm – Ny olom-bitsy sy ny vahiny no manjaka amin’ny harem-pirenena

Tontosa soa aman-tsara tany Toamasina tao amin’ny Sekoly Fo Masin’i Jesoa Tanambao V, ny komity foibe Ffkm  faha-39, ny talata 22 novambra hatramin’ny alahady 27 novambra 2016 lasa teo.  Sehatra roa lehibe no nodidnihina nandritra izany. Teboka voalohany ny fiainam-piangonana. Mahatsapa ireo mpikatroka fa mirongatra loatra ny famakiana fiangonana. Fangalarana fanaka masina, lakolosy, fandoroana baiboly ary fanapotehana ny Sary Masina maro, izay karazan’ny fanimbazimbana tsotra izao. Ny teboka faharoa kosa indray dia mahakasika ny fiainam-pirenena. Nambaran’izy ireo fa misy ny fisalasalana amin’ny fanohizana ny fanatanterahana ireo fehin-kevitra tapaka nandritra ny fihavanam-pirenena, izay nifototra amin’ny 4F (Fieken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana ary Fihavanana). Zary toa lasa vato misakana amin’ny fametrahana fiarahamonina mirindra ka miteraka tsy fandriam-pahalemana. Nivoitra fa tsy hitan’ny vahoaka izay maha tandroka aron’ny vozona ny mpitandro ny filaminana  fa lasa toa herim-pamoretana fotsiny ihany. Vokany, tsy matoky ity farany intsony ny vahoaka ka mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka.

Anisany nisongadina tao amin’ny fanambarana ihany koa fa marefo ny toe-karem-pirenena malagasy. Tsy misy fiarovana ny harena fa zary tantely afa-drakotra. Manjaka ny kolikoly. Miharihary ny elalelana eo amin’ny mahantra sy ny manan-karena.

Eo anatrehan’ireo àry dia miangavy  ny mpitondra fanjakana ny Ffkm mba hanao ezaka amin’ny fitandroana ny aina, ny fampiharana ara-drariny ny lalàna ho an’ny rehetra ary ny fiarovana ny harem-pirenena. Mila hamafisina ihany koa ny sisin-tany ka ho sarotiny amin’ny fidirana sy amin’ ireo vahiny tsy ara-dalàna ny tompon’andraikitra hoy hatrany ny fanambarana. “Ny Fffkm mpaminany sahy mijoro ho vavolombelona eo amin’ny firenena”. “Ianareo no sira hanasoa ny tany… Ianareo no fahazavana ho an’izao tontolo izao”, (Matio 5, 13-14) no teny faneva nentina nanamarika ity fihaonam-be ity.

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre