Vous êtes ici :

Lundi 20 Février 2017

ombre

Aiza izay fampandrosoana eo ?

Fitsaram-bahoaka, delestazy, fahantram-bahoaka, fanagadrana sy fisamborana mpanao politika sy vahoaka miaro ny taniny, tsy fahalalahana maneho hevitra, sosialim-bahoaka tsy zarizary ,…Dia aiza amin’ireo ny fampandrosoana nolazain’ny mpitondra Fanjakana nandritra ny kabary natao teny Iavoloha ny zoma lasa teo ? Kabary tsara lahatra ihany ireny ! Inona no iraharahian’ny mpisakafo teny Iavoloha izay nolazain’ny mpandray fitenenana fa dia nitehaka izy ireo satria izay no fahalalam-pomba sy fifanajana amin’ny vanim-potoana toy ireny. Maro tamin’ireo vahiny nasaina ihany koa no iaraha-mahalala fa mivelona amin’ny fanaovana politika. Izany hoe mitady lalana mety hahazoana toerana politika ka matoa nanohina ny fanasan’ny filoha dia efa mba hitan’ny mpitondra fa manana finiavana ny hanolo-tanana hiara-hiasa ka mety hahazo toerana ao anaty fitondrana.

Dia nikabary ny filohan’ny Antenimieram-pirenena fa tsy misy olona ambony lalàna eto nefa ny vahoaka manontany hoe ahoana izany ny raharaha Ambohimahamasina, sy ireo olona ambony sahy nandà tsy namaly ny fampanantsoina nalefan’ny Bianco ? Tsy ambony lalàna ve ireny olona ireny sa hoe very an-javony fotsiny toy ny raharaha nahafatesana olona teny Mahamasina tamin’ny 26 jona 2016 ? Nahagaga tokoa mantsy fa tena henjana ny fisavana tamin’iny raharaha iny nefa dia tafiditra tao ihany ny baomba nanaovana asa fampihorohoroana. Mba efa nisy ve ny fanadihadiana natao tamin’ireo sokajin’olona tsy nosavaina toy ny manam-pahefana sasany ohatra ?  Dia ahoana ihany koa izany ny raharaha hafa namoizana ain’olona toy ny kariera eny Anjozorobe izay tsy vitan’ny sivily ihany no efa maty tamin’io raharaha io fa niafara tamin’ny mpitandro filaminana izay manana ny maha-izy azy ihany koa ?

Manaiky aho amin’ny tokony hisian’ny fanovàna toe-tsaina fa saingy ny manam-pahefana sy ny mpitondra no tokony hanao izany voalohany ho maodely eo anatrehan’ny vahoaka. Koa raha hanova ihany tsy aleo ve atomboka amin’ny fandavana ny fitiavan-tseza sy ny fitiavam-pahefana. Raha tena te hanavotra ity firenena ity ireo mpitondra Fanjakana dia tsaratsara ho azy ireo ny mametra-pialana. Efa 3  taona mantsy izao izy ireo no teo nefa tsy nahavita nampandroso akory ny firenena fa vao mainka aza niha sahirana ny vahoaka. Tsy fantatr’ireo mpitondra ambony tsara angamba ny fahasahiranan’ny vahoaka sy ny vesatry ny fisondrotry ny vidim-piainana ka mahatonga azy ireo milaza fa misy ny asa fampandrosoana vita ary nahafapo izany. Raha mametra-pialana izy ireo ka miverina ho eny anivon’ny vahoaka dia hahafantatra ny tena zava-misy marina.

Mbola raharaha manakana ny firenena tsy handroso ihany koa ny resaka fifidianana. Mampanahy be ihany ilay tetikasa hanamoràna ny fanamboarana karapanondro ho an’ireo tsy ampy taratasy sivily. Tena manana atontan’isa mazava mamaritra ny isan’ny olona feno 18 taona nefa tsy manana taratasy fanamarinana ny nahaterahana ve ny vaomiera mahaleo tena mikarakara ny fifidianana ? Mazava be mantsy fa hampitombo ny isan’ny mpifidy io hetsika manokana io ary hanova betsaka ny ho voka-pifidianana. Raha misy mpifidy vaovao miisa iray tapitrisa, ohatra, dia azo antoka avy hatrany ny ho fandresen’izay kandida hotohanan’izy ireny. Tsy maintsy hisy ny fitanilana satria ny fitondram-panjakana no hanome karapanondro ho azy ireo ary mazava be fa tsy maintsy ny kandida atolotry ny antokon’ny mpitondra Fanjakana no hofidian’izy ireo.

Farany dia mahakasika ny resaka fampihavanam-pirenena izay efa nolanian’ny parlemantera ny lalàna mifehy izany. Tsy azo hiverenana intsony io satria efa voafidy saingy ny ampiharana azy no tsy tokony hasiana mizana tsindrian’ila. Mila atao laharam-pahamehana ny tsy fisian’ny arakaraka amin’ireo olona 109 nosazian’ny firenena mikambana tamin’ny andron’ny tetezamita.

 

Gaby Vakiniadiana

image

Be tetika fa kely lalana

Iza avy no efa nandeha tamin’ilay fiarabe vaovao mahazaka olona 49 ? Raha ny tokony ho izy mantsy dia efa niasa nanomboka tamin’ny fotoana nampisehoana azy ireny fitaovam-pitaterana ireny. Toy

Lire la suite

image

Aux grands maux…

Bon nombre d’entre nous veulent faire ces choses qui font que le visage du pays change. Ces initiatives que l’on pourrait acclamer et applaudir tant elles auraient eu des impacts

Lire la suite

image

Antsirabe - Lehilahy maty nilatsahan’ny andrin-jiro

Nandravarava ny rivotra sy ny rotsak’orana tao Antsirabe. Andrin-jiro efa mitondra herinaratra manana tanjaka hatrany amin’ny 20 000W no nianjera. Vokany, olona iray no maty nianjeran’ny iray tamin’ireo fitaovan’ny Jirama ireo

Lire la suite

ombre