Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Efa tsy rariny intsony !

“Trop be” araka ny fitenin’ny tanora ity delestazy lavareny amin’ny fiandohan’ny taona ity. Maraina, antoandro, hariva ary alina dia tapaka foana ny jiro ary maharitra be izany fahatapahana izany. Tokantrano amana hetsiny no tsy afaka mifankahita tava intsony rehefa tonga ao an-trano samy reraky ny asa sy fianarana satria tapaka ny jiro. Amin’ny 9 ora alina, ora efa fatorian’ny ankizy vao mody miverina ny firehetana. Ady lava sy gidragidra any am-pianarana satria marobe ny ankizy no tsy mahavita devoara sy mianatra lesona noho ny fahatapahan-jiro amin’ny ora tokony hanaovana izany. Mitarika savorovoro ho an’ny orinasa madinika sy ny mpanjifan’izy ireo ihany koa ny tsy fahavitan’ny asa noho ny tsy fisian’ny jiro. Tena mamono ny fiarahamonina sy ny toekarena ny resaka delestazy efa tsy hita izay afitsoky ny mpitondra Fanjakana.

Tsy fanakianana be fahatany izany ary tsy fanenjehana na fingampingana fa fitaterana ny zavatra marina. Lazaina fa laharam-pahamehana sy fototry ny asa fampandrosoana ny angovo nefa ny vahoaka eto an-drenivohitra aza tsy vitan’ny Fanjakana ny manome jiro azy. Enjehina foana ireo mpitondra nifanesy tany aloha ary lazaina fa tsy manana vina sy tsy mijery lavitra nefa tsy azo hadinoina fa tamin’ny andron’ireny tsy nisy delestazy gravy be toy izao. Ny mpitondra ankehitriny mihitsy no tsy mahay mitantana matoa misy ny tsy fahampian’ny famatsiana jiro. Ny fitaovana sy fotodrafitrasa ampiasaina amin’izao mantsy dia mbola ireo natsangan’ny taloha ihany ny ankamaroany. Lojika be raha tsy maharaka ny filan’ny mponina ny famokarana satria miha antitra ny fitaovana, mitombo ny hamaroan’ny mpanjifa ary misy ihany koa ny fiovaovan’ny tontolo iainana.

Tsy natao hanadiovan-tena sy fialan-tsiny mihitsy izany hoe tsy avy ny orana dia tsy ampy ny famokarana ao Andekaleka. Ny famahana ny olana toy izany mantsy no ilana ny mpitondra Fanjakana izay karamain’ny vahoaka volabe sy tombontsoa mihoa-pampana isam-bolana. Tena efa tsy rariny intsony mihitsy raha amin’ny taona 2017 toy izao ny vahoaka malagasy dia mbola hiaritra izany delestazy izany.

Mila miasa sy mitondra vahaolana mahomby sy faran’izay haingana ny mpitondra hamerenana amin’ny laoniny ny famatsian-jiro fa izany izao no maharary ny vahoaka. Mbola resaka ambony latabatra sy tsy hihinanan-kanina ary tsy hampandeha ny jiro izany famatsiam-bola 10 miliara dolara izany fa tsy hita izay vokany. Avereno ny jiro dia ampidino ny vidim-piainana ary fohano ny tsy fandriam-pahalemlana dia ho maro ny hijoro fa tena miasa sy mampandroso firenena ity fitondram-panjakana ity.

Mila jiro ny vahoaka satria mandoa vola ary tsy afaka ny hiandry izay tetikasa lavitr’ezaka any ankibon’ny omby lava izao. Mbola nofinofy izany hamokatra herinaratra amin’ny masoandro sy rano ary rivotra izany fa ny ilain’ny olona dia aza tapahina intsony ny jiro manomboka izao. Ny famahana izany olana izany rahateo no antompisian’ny mpitondra fa tsy hitady fialantsiny amin’ny resaka tekinika sy tontolo iainana izany.

Rehefa tena tsy vita ity raharaha manga ity maninona raha homena izay mazoto miasa sy vonona hitady vahaolana fa manjary miteraka fahasorenana lava isan’andro izao fotsiny e !  Mifoaha maraina ny vahoaka dia delestazy no miandry azy. Mody hisakafo atoandro dia io rafahatapahan-jiro. Amin’ny alina mba mody ao an-trano dia efa aizina tanteraka no miandry. Dia mbola misy manam-pahefana sahy miteny ihany fa mandroso be i Madagasikara ary mahafa-po ny ezaka vita.

Efa tonga amin’ny faratampon’ny marimpana ny hatezeran’ny mponina vao nilaza ny Jirama omaly fa tsy hisy intsony ny delestazy manomboka anio. Nohazavain’ilay tompon’andraikitry ny fitsinjarana herinaratra fa nisy ny fifanarahana tamin’ny mpamatsy solika. Izany hoe azo atao ihany kay ny manafoana ny delestazy na dia ritra aza ny ranon’Andekaleka.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre