Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Loza amin’atambo !

Fa inona no mitranga fa tena lasa mora misahotaka ny vahoaka Malagasy. Raha vao misy tranga kely tsy mahazatra dia lasa resa-be sy tena vaindohan-draharahan’ny tsirairay mihitsy. Ilay horohorontany omaly alina iny izao tena nanaporofo fa mora mikoropaka ny malagasy. Teo noho eo ihany mantsy dia samy nifandrombaka nandefa tamin’ny facebook ary samy te hilaza fa naheno. Mazava ho azy fa misy ny fifaninana satria samy te handefa vaovao mialoha ka izay vaosongona dia nanisy sira sy fanitarana kely. Olon’ny finoana rahateo ny Malagasy ka dia niompana betsaka tany amin’ny resaka finoana ny ankamaroan’ny adihevitra momba ilay tranga. Tao ireo nanamafy tsy nisy porofo fa efa ho avy ny andro farany ary fambara ireny. Nisy ireo niteny fa kapoka avy amin’ny Mpahary iny fihovitry ny tany iny satria mpanota be ny Malagasy. Ireo nihevi-tena ho manam-pahaizana sy henjana amin’ny famakafakana indray dia nandroso fa ny fanimbana ny tontolo iainana no nahatonga ilay fihovitry ny tany. Farany moa dia ireo misora-tena ho siantifika no nanazava fa resaka fihetsehan’ny ranom-bolokany any ambanin’ny tany no nahatonga iny. Tsy hay intsony hoe iza no manana ny marina fa ny hita dia tena nampikoropaka ny Malagasy izy iny.

Toa izany ihany koa ny haintany amin’izao fotoana izao. Tsy mety avy ny orana ary miharitra ny renirano rehetra. Hatramin’ny trondro sy ny amalona aza no lasa mitsingevana fotsiny noho ny hafanana be loatra. Nisy koa olona nilaza ho nahita bibilava ngezabe tao amin’ny ranon’Ikopa. Tsy afaka namaritra mazava mikasika ilay biby ireo nahita maso saingy kosa nihevitra fa tsy tena bibilava io niseho io fa fahitana noho ny zava-misy. Tsy fahita mantsy izany ranon’Ikopa hoe ritra izany ary ahiana ihany koa ny mety nisian’ny fanotana fady tamin’ny alalan’ny fanapoizinana. Io antony io no heverin’ny vahoaka fa nahatezitra ny tompon-drano ka nisehoany.

Mety maro ny mihevitra fa minomino foana ny Malagasy nefa kosa rehefa zohina dia toa mifampiankina avokoa ny zava-misy rehetra amin’izao fotoana izao. Be loatra mantsy ny ràn’ny tsy manan-tsiny latsaka eto amin’ity firenena ity ary maro ny aina afoy noho ny tsy rariny ka izany no heverin’ny finoana malagasy mahatonga izao loza misesisesy eto amin’ny firenena izao. Firifiry ny olona matin’ny tsy fandriam-pahalemana nefa toa vitavita ho azy eny izany. Tsy voaisa intsony ny Malagasy mamoy ny ainy noho ny fahantrana satria na tsy manan-ko hanina na tsy mahita vola hitsaboana tena nefa dia milaza ny tompon’andraiki-panjakana fa afa-po tamin’ny asa vitany.

Ankoatra izany dia toa lasan’ny vahiny ambongadiny ny tanindrazana satria zarazaraina amin’ny vazaha sy sinoa ary afrikanina mpanam-bola ireo toerana rehetra heverina ho misy vatosoa sy volamena ary vy. Hatramin’ny fasan-drazana malagasy aza dia betsaka no voatery tsy maintsy horavana satria lasan’ny mpitrandraka vahiny ny tany. Hadinon’ireo manam-pahefana fa manan-jina amin’ny Malagasy ny tany sy ny harena ao anatiny. Na faritra aiza na faritra aiza dia mitaky rà latsaka sy aina afoy hatrany ny fitrandrahana vatosoa na volamena eto Madagasikara. Porofo akaiky amin’izany ary vao tamin’ny herinandro no nisian’ilay zandary manana ny maha izy azy maty voatifitra teny amin’ny karieran’Anjozorobe.

Ohatra iray iny fa marobe ny tranga nahenoana fa nisy olona maty noho ny resaka fitrandrahana. Tsy azo odian-tsy fantatra anefa fa manana ny hasiny ny aina sy ny ràn’ny Malagasy ka tsy latsaka fotsiny amin’izao fa tsy maintsy misy ny tody sy ny tsiny ary ny ozona avelan’ireny. Izany antony rehetra izany no heverin’ny olona fa mahatonga izao loza misesisesy eto amin’ny firenena izao. Vahaolana ve?  Mila manetry tena sy mamitram-pihavanana amin’ny vahoaka ny mpitondra !

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre