Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Firenena varoboba

Tafiditra amin’ny laharam-pahamehan’ny asa fampandrosoana izay aroson’ny mpitondra ny fitrandrahana ireo harena ara-voajanahary eto Madagasikara. Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra dia tsy misy maharatsy azy mihitsy izany tetika izany saingy kosa mitaky lamina maty paika sy mazava ary mangarahara. Iza moa no tsy hanaiky fa tena afaka mampiditra vola be tsy toko tsy forohana ho an’ity firenena ity ny fitrandrahana ny solika, ny volamena sy ny vatosoa ary ny hazo sarobidy rehetra misy eto Madagasikara ? Toa tsy voahaja anefa ny lojika satria na dia zarazaraina amin’ny mpandraharaha vahiny aza ny tany dia tsy hita izay asa fampandrosoana eo. Mbola mitaraina ihany ny mpitondra fa tsy ampy ny vola tokony hiasana. Mbola voatery namory ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ihany ny Fanjakana malagasy ka nangataka vola hotrosaina hatramin’ny 6,4 miliara dolara. Fa maninona no tsy ny vola azo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany fotsiny no ampiasaina dia vita. Tokony mihoatra lavitra izany 6,4 miliara sy 10 miliara dolara avy tamin’ny kaonferansa tany Parisy izany ny vidin’ny harena an-kibon’ny tany rehetra efa voatrandraka teto Madagasikara nefa tsy hita. Mazava ho azy izany fa misy tsy azo antoka ny fomba nanaovan’ny Fanjakana sy ireo mpandraharaha vahiny satria tsy mampidi-bola araka ny tokony ho izy akory ireny fitrandrahana ireny. Zarazaraina ho an’ny vahiny amin’ny vidiny mora fotsiny ny tany sy ny harena fa tsy misy vokany amin’ny asa fampandrosoana akory. Tsy mahagaga raha saro-piaro sy tsy manaiky ny hanomezana alalana ny fitrandrahana ho an’ireny vahiny ireny ny vahoaka. Tsotra ny antony : ny tany simba sady lasan’ny vahiny nefa ny firenena vao mainka miha-mahantra. Tena miharirahy amin’izao fotoana izao fa amidy atao varo-boba i Madagasikara. Tsy any amin’ireo toerana lavitra feno volamena sy vatosoa ihany fa eto an-drenivohitra ihany koa.  Lasan’ny vazaha sy sinoa ary karana miampy afrikanina avokoa ny tany tsaratsara toerana rehetra eto an-drenivohitra. Hananganan’izy ireo tranobe tsara tarehy ireny dia amidiny na ampanofainy lafobe amin’ny vahiny ihany satria tsy mahatakatra izany ny malagasy. Voatery lasa mikisaka any amin’ireo toerana ratsy sy tsy maha-te honina ny Malagasy. Tsy vitan’izany anefa fa rehefa tapitra namidy ireo toerana tsara dia lasa any amin’ireo maloto sy mikorontana indray no ifandrombahan’ireo vahiny. Tena mampitsangam-bolo ny fahenoana saika ho isan’andro lava izao fa misy trano arodana atsy, misy kianja fefena aroa, satria lasan’ny vahiny ny tany. Efa manomboka lasa tompony mangataka atiny ny Malagasy satria tsy manan-jo intsony handeha amin’ny toerana maro eto amin’ny firenena.

Ato ho ato aza dia ny fasana hilevanana sy ny tanindrazana mihitsy no ahoron’ireo vahiny mpanam-bola sy lazaina fa mpandraharaha. Omen’ny Fanjakana alalana hitrandraka vato amin’ny toerana midadasika maro mihataka kely ny renivohitra indray mantsy ny sinoa ka raha ny lojika no jerena dia tsy maintsy hisy fasan-drazana sy tranondrazana an’arivony harodana amin’ireny tany lasan’ny vahiny ireny. Dia ho aiza ihany izany ny vahoaka malagasy satria na an-tanan-dehibe na ambanivohira dia lasan’ny vahiny avokoa.  Tena lasa varo-boba ity firenena ity ary raha izao no mitohy dia hiverina tsy ho ela ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao satria ny vahiny no matanjaka ara-bola sy manana ny fahefana eto. Efa mateti-pitranga rahateo ny fanalikana sy fanambaniana ary fampijaliana Malagasy ataon’ireo karazam-bazaha mpanan-karena eto amintsika. Aiza ho aiza ny andraikitry ny mpitondra Fanjakana manoloana izany rehetra izany. Mba efa mitsinjo lavitra ve sa ny anio ihany? Ny mpitondra mantsy mandalo fa ny firenena mitoetra. Sao sanatria hanao izay hahazoan’ny vahiny tombontsoa fotsiny dia avy eo hiala andraikitra rehefa tena very tanteraka ny firenena.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre