Vous êtes ici :

Mercredi 24 Avril 2024

ombre

Taonan’ny fihemorana

Mampiavaka ity fitondram-panjakana mijoro ity ny fametrahana vina isaka ny fiandohan’ny taona. Ny 2015 dia natao ho taonan’ny fanadiovana, ny 2016 dia taonan’ny fiotazana, ary ny 2017 dia taonan’ny fananganana. Hatreto aloha dia tsy hita mazava izay nadio tamin’ny 2015 sy izay notazana tamin’ny 2016. Raha tena jerena akaiky aza dia hita ho lasa taonan’ny fahantrana sy ny fihemorana no tena zava-nisy. Tsy azo odiana tsy fantatra mantsy fa ny tsy fahaiza-mitantana hatramin’ny 2014, 2015, ary 2016 no mahatonga izao fahapotehana eto amin’ny firenena amin’izao taona 2017 izao. Mirongatra be ny fitsaram-bahoaka satria tsy lavorary ny fitandroana ny fandriam-pahalemana. Tena manao ny asany ireo mpitandro filaminana nefa kosa tsy afa-manoatra manoloana ny zava-misy. Miha-mirongatra ny olon-dratsy noho ny fahantrana ary tsy ampy olona sy tsy ampy fitaovana rahateo ny mpitandro filaminana hanaovana  ny asany. Porofo iray izay tsy ela akory izay ilay fandrobana mpivady tany amin’ny lalamben’ny Baobab any Morondava. Naharay antso vonjy ny mpitandro filaminana saingy tsy afaka nanavotra ireo voaroba satria tsy nisy solika hampandehanana ny fiara hanenjehana ireo mpangalatra. Mazava ho azy fa nalalaka ny lalana nitsoahan’ireo olon-dratsy rehefa vitany ny ratsy nataony.

Toy izany ihany koa io resaka fitsaram-bahoaka tsy ahitam-panafany miha-mirongatra io. Tsy afaka manao ny asany amin’ny tokony ho izy ny mpitandro filaminana noho ny tsy fahampian’ny fitaovana dia lasa tsy mahafaly ny vahoaka ny didy mivoaka indraindray. Sarotra ny raharaha satria na ny fonja hametrahana ireo olon-dratsy voasambotra aza efa feno tanteraka. Tarazon’ny tsy faiza-mitantana hatramin’ny niandohan’ny Repoblika fahefatra hatrany izany rehetra izany.

Ny resaka delestazy izay averimberina isan’andro satria zava-misy dia mbola taratry ny tsy fahombiazana hatrany. Mandatsa matetika ny vahoaka ny mpitondra fa 15%n’ny mponina ihany no mampiasa herinaratra nefa vola 300 miliara ariary isan-taona no fatiantoka aloan’ny Fanjakana amin’ny Jirama. Raha tena misy marina ny fahaiza-mitantana ka nampiasaina amin’ny tena fampivoarana ireo volabe ireo dia tsy toy izao ny delestazy. Azo natao tsara mihitsy ny nividy milina mpamokatra herinaratra ho an’ny Jirama tamin’ireo 300 miliara ariary ireo. Raha natao izany dia tsy mividy herinaratra amin’ny orinasa tsy miankina intsony ity orinansam-panjakana ity fa mamokatra mivantana ny filan’ny mpanjifa ary afaka hampidina be ny vidin’ny jiro. Ny mpiasa ao rahateo efa matetika no nilaza fa vitan’izy ireo ny manarina io orinasa io raha omena azy ny tena fahalalahana hanao izany. Tsy mila fanampiana ara-bola avy amin’ny mpamatsy vola sy fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina izany ny fanarenana azy raha tena mila vahaolana lavitra ezaka. Mbola resaka any ankibon’ny omby sy nofinofy ririnina ihany koa izany hanangana fotodrafitrasa famokarana herinaratra amin’ny herin’ny rivotra sy masoandro ary rano izany. Rano hosotroina aza efa tsy hisy koa inona no hampihodinana izany milina izany?

Ny tena azo antoka fa mahomby sy haingana dia ny fividianana milina ampy hamokatra herinaratra ho an’ny Jirama. Fiaramanidina aza voavidin’ny Fanjakana koa izay milina famokarana jiro ve dia tsy ho takatra? Raha tena mahaleo tena ny Jirama ka manana ny fitaovana azy manokana ary tsy mividy herinaratra amin’ny orinasa tsy miankina intsony dia ho voavaha io olan’ny delestazy io. Tsy haka tombony mihoampampana toy ireo orinasa mpamatsy azy mantsy ny Jirama ary ho ampy hividianany solika hampandehanana ny milina ny vidin-jiro aloan’ny mpanjifa.

Efa taonan’ny fihemorana sy ny fahapotehana no niainana teto hatramin’ny 2014, 2015, 2016 koa efa fotoana kosa angamba izao hanarenana izany. Misy ny vahaolana hanavotana ity firenena ity ary tsy sarotra fa ny manam-pahefana mihitsy no sarotra atoro.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre