Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Ambatoroka – Mpamono vady nitambaran’ny fokonolona

Ny fahasarotam-piaro matetika no tena mandrisika ny lehilahy hikasi-tanana ny vadiny. Fa ny tena mahatonga ireny fihetsika mamoafady ary tsy fampiseho masoandro mihitsy ireny dia ny fikasihana zava-pisotro misy alikaola na fifohana zava-mahadomelina. Toy izany indrindra ny nahazo ity lehilahy iray izay voalaza fa namono ny vadiny nitambaran’ny olona ity. Tao amin’ny tanàna iray ao Ambatoroka no nisehoan’izany tamin’ny alarobia lasa teo. Raha ny vaovao voaray dia mamomamo avy nisotro toaka niaraka tamin’ny namany ity rangahy ity. Ny andro efa hariva ary ny vadiny no tratrany tao an-trano. Mbola nitady toaka ihany anefa ity lehilahy ary nampitady an-dramatoa vadiny tany amin’ny mpivarotra. Tsy nety nandeha ilay andefimandriny noho ny fahitàna fa efa mamo tsy mahazaka tena intsony izy. Tezitra tamin’izany ilay rangahy ary avy hatrany dia namelaka an’ilay vadiny. Tsy nijanona teo anefa ny fikasihan-tanàna fa nitohy hatramin’ny daroka sy ny vono mihitsy izany. Nihorakoraka ary niantso vonjy noho ny vono nahazo azy ilay ramatoa ary nanomboka tonga tsikelikely ny mponina teo amin’ny manodidina. Rehefa nahita izany izy dia mbola namoaka vava tsy ambina ihany ary mbola nilaza fa fiainan-tokatranony izany ka tsy tokony hidiran’ny olon-kafa mihitsy. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso dia nandray antsy mihitsy ilay rangahy ary nandrahona ny olona izay avy dia niditra tao an-tranony. Teo no raikititra ny sakoroka satria efa saika voakapa tamin’ilay antsy maranitra ny iray tamin’ireo olona saika hitondra vonjy. Nifandritahan’ny olona noho izany ilay rangahy ary nesorina teny aminy ilay antsy. Nasaina nivoaka ny trano ity farany avy eo ary nisy olona maromaro nasaina niambina ny tranon’ilay ramatoa mba hisorohana ny mety hiverenan’ilay rangahy. Nametraka fitarainana teny anivon’ny polisy avy hatrany omaly ilay renim-pianakaviana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre