Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Manomboka ny fanadiovana

Nosoloin’ny fitondram-panjakana avokoa ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny orinsa Jirama. Ny tale jeneraly sy ny tao amin’ny filan-kevi-pitantanana no tena voakasik’izany. Tsy nanaitra ny rehetra io fanapahan-kevitry ny Fanjakana io satria efa ela no tsikaritra avy ety ivelany ny fisian’ny tsy fifanarahan-tsaina teo amin’io orinasa io sy ny Fanjakana.  Hita izany amin’ny fanambarana averimberin’ny Praiminisitra izay niteny mafy hatrany ny tompon’andraikitra ao manoloana ny resaka delestazy. In-droa fara fahakeliny ny lehiben’ny Governemanta no nanome baiko hentitra mba hanatsahatra eo noho eo ny resaka delestazy. Tamin’ny voalohany mba nety ihany izany saingy tsy naharitra herinandro dia niverina ny fahatapahan-jiro. Tamin’ny faharoa kosa dia toa vao mainka nanamafy ny delestazy ny fanambaran’ny praiminisitra fa mila fanovàna sy fanatsarana ny fitantanana eo anivon’ny orinasa. Hita taratra tamin’izany fa tena misy olona manao tsinontsinona ny Fanjakana mihitsy ao anivon’ny orinasa Jirama ao. Ny fanambaran’ny teknisianina manoloana ny fahatapahan’ny famatsian-drano ho an’Antananarivo ao anatin’ny hateloana izay lasa niteraka savorovoro ho an’ny fiarahamonina sy nanakorontana ny saim-bahoaka ihany koa dia vao mainka nampitombo ny disadisa teo amin’ny mpitondra Fanjakana sy ny mpitantana ny Jirama. Nihenjan-droa ny tady koa iny niafara tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra hanesorana sy hanoloana ireo tompon’andraikitra iny.

Manaporofo iny fandroahana ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Jirama iny fa tsy misangy ny fitondram-panjakana ary tsy resaka fotsiny fa tena mitombona ireo honohono milaza fa hisy ny fanovàna. Mila mailo ihany, noho izany ireo mpiasam-panjakana ambony sy ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta fa mety hihafara any amin’izy ireo ity raharaha fandroahana ity. Efa hatramin’ny faramparan’ny taona 2016 lasa iny no nahoraka be ny resaka mety hisian’ny fandravana Governemanta. Tsy misy sahy miresaka mahakasika izany anefa ireo tompon’andraikitra ambony rehetra fa toa mialaala sy mody fanina fotsiny. Nametraka mazava ny filoham-pirenena fa taonan’ny fananganana ity 2017 ity ary mila ampitomboina avo roa heny ny fomba fiasa tamin’ny taon-dasa. Tsy izany anefa no mitranga hatramin’ny fiandohan’ny taona fa tena lasa mihisatra be mba tsy hilazana fa mikatso mihitsy ny raharaham-pirenena. Raha vitan’ny mikatso moa maninona fa toa mihemotra indray aza izany. Porofo mivainga ny fiakaran’ny vidim-piainana rehetra miainga amin’ny sakafo ka hatramin’ny solika sy ny faktiora isan-tsokajiny. Manaporofo ireo fa misy tsy mazava ao anaty fitondram-panjakana ao ary misy marary ilaina vahaolana maika sao hirodana eo ity firenena. Efa fambara ireo rehetra ireo fa mety tsay hahariotra intsony ny governemanta mijoro amin’izao foatoana izao. Raha te hampandeha ny raharaha mantsy ny Filoha dia voatery tsy maintsy hanolo ekipa toy ny nataony tao amin’ny Jirama. Ny daty nitsingerenan’ny taona nandraisany ny fintanana rahateo dia efa mahazatra ny filoha ny manove governemanta. Izany hoe misy risika betsaka hoe amin’io herinandro io no mety hisian’ny fanapahan-kevitra hanoloana ny fahefana mpanatanteraka amin’izao fotoana izao.

Tombatombana sy kajikajy miainga amin’ny fandinihana sy fandalinana ny zava-misy avokoa anefa izany rehetra izany fa ny filoham-pirenena irery ihany no tompon’ny teny sy ny fanapahan-kevitra farany. Ho hita eo izay vahaolana horaisiny entina hanarenana haingana ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Efa miha leo rahateo ny vahoaka ary manamarika izany ireny fikomiana etsy sy eroa izany. Taiza teto Madagasikara no mbola nisy vahoaka avy amin’ny kaominina am-polony nirohotra hanafika biraon’ny mpitandro filaminana nohon’ny resaka fitakiam-bahoaka. Oviana teto amintsika no nisy fokonolona vonona hanao vy very ny ainy hiady amin’ny mpitandro filaminana noho ny tsy fifanarahana amin’ny sinoa mpitrandraka vato? Endrika ivelany fotsiny ireny fa ny tena marina dia leo sy tofoky ny frahantrana sy ny fampanantenana poak’aty ny vahoaka ka miandry kendry tohana zavatra tsy mety kely fotsiny entina hanehoana ny hatezerany.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre