Vous êtes ici :

Samedi 27 Avril 2024

ombre

Ambilobe – Tratra ilay tovovavy mpanao aferan-drongony

Naiditra am-ponja ny fiandohan’ny herinandro teo, ity tovovavy iray izay  nahatratraran’ny Polisy eny Ambilobe rongony manodidina ny 40kg any ho any. Teny amin’ny « barrage économique », ao Ambatoharanana no tratra Ramatoa kely nandritra ny fisavana natao ireo fiara mandalo. Fiara taksiborosy avy any Ambanja handeha hihazo an’Ambilobe no nandehanany tamin’izany fotoana izany. Valizy fitondrana lamba toy ny mahazatra  no nasiana ireo zava-mahadomelina. Feno hipoka tanteraka ilay valizy ary nasiana lamba teo amboniny. « Lehilahy iray sy tovovavy iray no niara-nanakana ilay taksiborosy teny an-dalana », araka ny filazan’ny mpamily. Tsy ampoizina ho rongony no tao anatin’ilay valizy fa ny Polisy nanao ny fisavana no mailo ka nanokatra ny entana. Raha vao nampidinina anefa ilay valizy, dia lasa nitsoaka ilay tovolahy nitondra ny rongony fa ilay tovovavy sisa tavela tao anaty fiara ka noraisim-potsiny. Nilaza ho tsy mahalala na inona na inona ilay tovovavy, izay tanora tokoa satria araka ny fanadihadiana natao azy dia  mbola vao 20 taona latsaka izy. Efa naiditra am-ponja vonjimaika anefa izy rehefa avy natolotra ny fampanoavana tany Antsiranana. Rongony saika  hamantsiana ny ao Ambilobe ireo tratra ireo. Tsy vao sambany fa efa fanaon’ireo mpanondrana rongony ny mitondra azy amin’ny taksiborosy toy izao. Matetika anefa sarotra ny hahatratra izany raha tsy misy ny fisavana.  Ny mpitandro filaminana rahateo rehefa mahazo kely avy any amin’ny mpamily dia tsy manao izany fisavana izany akory. Ary tsara ho fantatra fa ny fiparitahan’ny rongony no tena mampirongatra ny asan-jiolahy sy ny ditran’ny tanora ao Ambilobe raha ny tenin’ireo vavolombelona.

 

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre